Mandeha be ny feo ankehitriny fa hotanterahina amin’ny faran’ny volana janoary ho avy izao raha ela indrindra ny fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Ho an’ny fikambanana Ambalambahoaka manokana izay tarihin-dRandrianiainasoa Jenny Claudia dia nambarany fa tena manohana izany izy ireo raha izay no fomba hahafahana mampandroso ny firenena. Misy amin’ireo minisitra no tena miasa tokoa ary manao izay tratry ny heriny, ao koa ny tsy hita endrika mihitsy sady tsy fantatra akory izay asa mivaingana tena hataony. Tsy tokony hoentim-poana anefa ilay anarana fa mitaky asa. Ho an’ny sehatry ny fampianarana manokana dia nosinganiny ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary izay nambarany fa tena nahavitabe tokoa tamin’ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM an’arivony ho lasa mpiasam-panjakana. Ny fotodrafitrasa ihany koa dia maro ny lalana vita. Miandrandra ny hanoloana ireo minisitra tsy nahomby kosa ny fikambanana Ambalambahoaka ho fitsinjovana ny vahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.