Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny fikambanana Ambalambahoaka tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianatoandro Randrianarivo Jules.
Be loatra mantsy araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny Harison Jean ireo antokon’olona mitondra io anarana io ahitana ireo mpamolavola lalàna teo aloha sady mampiasa izany tamin’ny asa fandrobana fefy tetsy Anosizato nefa tsy mpikambana ao akory. Toraka izany ihany koa, hoy izy, ireo olona nilanja sorabaventy nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy notohanana orinasa lehibe iray… Mampitandrina fanindroany ireo minia mampiasa io anarana io izy ireo, ady izay nambaran’izy ireo fa haveriny any amin’ny fanjakana izay nanome taratasy ara-dalàna azy ireo mikasika ny fikambanany raha toa ka mbola misy izany. Notsiahiviny moa fa afaka miditra ho mpikambana ao anatin’ny fikambanana Ambalambahoaka avokoa ny olona rehetra saingy tsy maintsy manaraka ny fitsipi-pifehezana ao anatiny. Tokana ihany ny tanjon’ny fikambanana, hoy izy ireo, dia ny hanatsara ny fari-piainan’ireo mpikambana ao anatiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.