Politique

Fikambanana Akata « Hiseho masoandro amin-dRajoelina ireo fahavalony ao an-dapa. »


  • Talata 29 Janoary 2019

Nisaotra ilay Nahary ny Malagasy iray manontolo ny avy eo anivon’ny fikambanana Akata Zanadrazana tarihin’ny filohany Brice Christopher Rabehavana.

 

 

Voasorotsika, hoy ity filoha ity, ny ra mandriaka. Nandray anjara tamin’izany ny rehetra. Tontosa tao anatin’ny Asara ny fifidianana. Mbola voatazona ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Tsy tanteraka kosa anefa ny famerenana amin’ny vahoaka ny tamberimbidiny, raha fintinina ny fanazavany. Hafatra natolony ho an’ny filoham-pirenena vaovao ny hoe ataovy izay. Esory dieny izao, hoy izy, ireo soavaly be tongotra ao an-dapa ao. Toy izany koa ireo mpanao politika manana toetsaina lomorina. Afaka enim-bolana dia ho hitanao ny vary sy tsiparifary ao ary amin’ny herintaona toy izao dia hiseho masoandro, hoy hatrany ity filohan’ny Akata ity ireo fahavalonao ao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT