Politique

Fikambanan’ny zanak’Antanala Namoaka boky mampahafantatra ny kolontsainy


  • Alatsinainy 04 Aprily 2016

Namoaka boky vaovao mampahafantatra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny fikambanan’ny Zanak’Antanala na ny ZANTA. 210 pejy izy io, hita eny amin’ny toeram-pivarotam-boky rehetra eto an-drenivohitra, mitondra ny lohateny hoe : “Vohitsivala”.

 

Tanjona, hoy Razafitsiandraofa Jean Brunel, tompon’andraikitra ao anatin’ny fikambanana ny mampahafantatra ny mpiray tanindrazana ny fomba amam-panao mampiavaka ity foko ity sy ny fifandraisany amin’ny foko hafa raha eo ihany koa ny zava-misy rehetra any an-toerana. Nahazoana fankatoavana avy tamin’ireo ampanjaka sy anakandria any an-toerana ny fanoratana ny boky  ka anisan’ny tena votoatiny ny fanarenana indray ny toe-tsaina sy ny kolontsaina  Malagasy hiverina bebe kokoa  amin’ny fitiavan-tanindrazana.  Na izany aza, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia tsy mifanipaka velively amin’ny asa fampandrosoana tokony hotanterahina any an-toerana ny fanajana hatrany ireo fomba amam-panao mampiavaka ny fomba Antanala izay voaraikitra ao anatin’ity boky ity. Ny tsy fisian’ny lalana mantsy hatreto no nambarany fa mbola tena olana any an-toerana raha anisan’ny niady mafy mba hahazoana ny fahaleovantena ity foko iray ity. Ireo tena niady sy nitolona  tamin’ny mpanjanatany no tafahitsoka anaty haizina ka mampiahiahy ihany. Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao tetsy Ampefiloha ny mpikambana rehetra ny faran’ny herinandro teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT