Namory mpanao gazety tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary omaly ny avy eo anivon’ny fikambanana zanak’Androy, nilaza ny ahiahiny fa mety hirongatra ny herisetra sy korontana raha tsy mandray fepetra mikasika ny raharahana habibiana niseho tamin’ny mpiray fiaviana tamin-dry zareo ny volana oktobra teo ny fitondram-panjakana aorian’ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia
. Antony mampitabataba ny fikambanana ny fitifiran’ny zandary olona roa zanak’iny faritra iny tao amin’ny kaominina Ambatoasaina distrikan’i Soavinandriana, faritr’Itasy sy ny fisamboran’olona 2 hafa ihany koa noho ny antony voalaza fa mety ho nangalatra. Ankoatra ny fahafatesany dia voalazan’ireo nanatri-maso ny fampandroana ny razana fa tsy hita koa ny filahian’izy ireo sy ny taovany. Araka ny fanazavan’ny solontenam-pokonolona avy ao Amboasary, toeram-piavian’ireo nodimandry, dia efa nisy 400 lahy nitondra lefona saika hanafika ity toerana nitrangan’ny loza ity saingy noho ny fitandroana ny fihavanana dia nety nifanaraka ihany ny samy fokonolona ka nanaiky ny hiantohan’ireo mponina ao Ambatoasaina omby 13 hatao sorona. Teo am-panatontosana ny fomba anefa no nanakana ny minisitry ny serasera hoe hajanony, araka ny tati-baovao. Io fihetsiky ny minisitra io no tena tsy matin’ireo mponina lolo ka dia nahatonga azy ireo hilaza fa raha tsy mandray fepetra aorian’ny frankofonia ny fitondrana dia izy ireo no handray izany ka mety hitokona eto an-drenivohitra miaraka amin’ireo razana efa misy fofona tsy navelan’ny fitondrana hokitihina tao anatin’izay iray volana izay.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.