Efa ela loatra izay efa-taona niaina tao anaty krizy izay, hoy Rajessona Narifidy iray amin’ireo mpiandraikitra voalohany miara-mitantana ao amin’ny fiombonan’ny fokonolona mandray andraikitra na ny Fikambanan’ny Zana-pokonolona nifamotoana tetsy amin’ny Mon Gouter Andrefana Ambohijanahary ny zoma teo. Fotoana tokony hieritreretana ny hoavin’ireo taranaka handimby izao fa tsy vitan’ny hoe tandindomin-doza intsony ny fiainantsika Malagasy ankehitriny fa efa an-koditra tanteraka ny fahoriana.
Andao hapetraka ny fototra tsy hiverenan’ny olana lava izao eto amin’ity firenena ity. Andao hatomboka amin’ny eny anivon’ny Fokontany ny fifidianana rehetra hatao, hoy izy, satria azo tanterahina ao anaty fotoana fohy izany, vao miakatra hatrany mba ho tena ara-dalàna daholo ny fitondrana misy eto. Tsy misy afa-tsy ny fiaraha-mientantsika mianakavy no hamaha ity olana mianjady amintsika ity, hoy hatrany ny ny Fikambanan’ny Zana-pokonolona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.