Miteraka resa-be eto amin’ny firenena tato ho ato ny mikasika ny fanoloana ny praiminisitra am-perinasa.
Tsy tara fa naneho ny heviny mahakasika izany ny fikambanan’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina any amin’ny distrikan’Anjozorobe. Nahitsy ny fomba fijerin’izy ireo ny olona tokony hitana io andraikitra io. Mpandraharaha tsy mbola tafatsabaka tao anaty lalao politika maloto mihitsy no mety sy mahavita azy, hoy izy ireo. Ny zava-bitany tany amin’iny distrikan’Anjozorobe be iny no nanosika ireto solontenam-panjakana ireto haneho hevitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny lafiny ara-tsosialin’ny mponina izay nahazoan’ny tantsaha mpamokatra marobe tombony tokoa….Tsiahivina moa fa efa manana paikady matotra entina hamahana ny olana eto amin’ny firenena ihany koa io mpandraharaha io sady mahay mifandray amin’ny vahoaka eny ifotony. Mikasika ny lafiny toekarena manokana dia tsy vahiny amin’izany intsony ity mpandraharaha ity noho izy mifandray mivantana amin’ireo mpandraharaha any ivelany. Ny tsy fandriampahalemana moa no tena mampitaraina fatratra ny vahoaka amin’izao izay efa ananany traikefa manokana ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.