Politique

Fikambanan’ny ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe Mijoro ny birao vonjimaika


  • Zoma 18 Martsa 2016

Roso amin’ny fananganana ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna amin’ny tanàn-dehibe ireo ben’ny tanàna niatrika ny fihaonamben’ny AIMF tatsy amin’ny Nosy La Réunion farany teo.

 

Tsirin-kevitra niainga tamin’ny fahitana ny zava-nisy tany an-toerana nahita ny firoboroboan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna avy tany amin’ny Nosy kaomoro izy ireo ka dia taitra ihany koa. Anisan’ny tompon-kevitra tamin’izany moa ny Ben’ny tanànan’Antsirabe ka nitaona ireo namany mba hivondrona ary dia raikitra ny fivoriana santatra izay tontosa omaly alakamisy. Ny fivoriana voalohan’izy ireo dia nahitana ny Ben’ny tanànan’Antsirabe mpampiantrano, Toamasina ary Mahajanga. Nahatonga solontena kosa ny an’i Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo. Tanjon’ny fihaonana ny hikaroham-bahaolana miaraka amin’ny fampandrosoana. Nitsangana ny birao vonjimaika ka ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, Atoa Razanakolona Paul sy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, Atoa Ratsiraka Elysé no voafidy hitarika hatreto. Ny hanomana ny fivoriambe amin’ny volana mey 2016 moa no tena asan’ireto birao vonjimaika ireto. Aorian’izay vao hipetraka ny fandaharan’asa isan-karazany. Fantatra fa hiditra ao amin’ilay fikambanan’ny tanàn-dehibe aty amin’ny ranomasimbe Indianina na ny AVOI ny fikambanana mba ahafahana migoka ny tombontsoa amin’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny fikambanana AIMF na ny « Association des Maires Francophone » izay mpiahy io fikambanana etsy aloha io. Fantatra moa fa anisan’ny mankato ny fijoroan’ity fikambanana ity ny Ben’ny tanànan’i Taolagnaro, Sainte Marie ary i Nosy Be na dia tsy tonga noho ny fifanindrian’ny fotoana tampoka aza.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT