Miaramila misotro ronono sy vadina miaramila mpandray fisotroan-drononon’ny vadiny miisa 2 740 no voakasik’ilay fanavaozana momba ny fikajiana ny fisotroan-drononon’izy ireo.
Noho ny fampiharana ny mari-karama sy ny taha vaovao mifandraika amin’izay amin’ny fisotroan-dronono izay nambaran’ny andinin-dalàna efa nahazo fankatoavana tamin’ny taona 2008 dia nasiana fanatsarana ny fomba fanaovana ny kajy ka ny tanjona dia ny hampitovitoviana ny fisotroan-drononon’ny miaramila mitovy mari-karama sy mitovy taona niasana ary mitovy laharam-boninahitra ihany koa. Arakaraka ny laharam-boninahitra sy ny faharetana teo amin’ny asa no anaovana ny kajy. Tsy maintsy ezahina anefa ny hanakaikikaiky ny antsoina hoe « minimum vital » na ny « salaire minimum d’embauche » na ilay antsoina amin’ny teny mahazatra hoe SMIG ny tahan’ny fisotroan-dronono ambany indrindra, araka ny fanazavana nomen’Atoa Razafitsalama Auguste, tale misahana ny fisotroan-dronono eo anivon’ny minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola omaly tetsy Antaninarenina. « Raha toa ka efa mahatratra ny minimum vital ny fisotroan-dronono iray aorianan’ny kajy atao arakaraka taona niasana sy ny laharam-boninahitra dia tody izay ilay tanjona. Fa ra toa mbola latsaka ny minimum vital kosa ilay fisotroan-dronono dia izay no ezahina mba tsy hiala lavitra ny fetra farany ambany kosa », hoy hatrany ny tale. Manoloana izany fomba fikajiana vaovao izany dia mety hiova tokoa ny mari-karama saingy tsy miova firy ny vatam-bola raisina fa fiakarana kely no hita ka tsy dia nahafa-po loatra ireo mpandray fisotroan-dronono. Hoan’ireo tany ambanin’ny minimum vital kosa dia nahita fiovana. Tsy ny an’ny miaramila ihany no voakasik’ity fomba fikajiana vaovao ity fa ny mpandray fisotroan-dronono rehetra. Raha ny fanazavana nentin’ny talen’ny fisotroan-dronono teny Antaninarenina dia nisy tokoa ny fanatsarana tiana hatao. Ny indro kely dia tara sy tsy ampy ny fampahafantarana, hany ka niteraka ahiahy tamin’ireo mpisotro ronono.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.