Raha ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy nahafantatra ny fiavian’ilay minisitry ny raharaham-bahiny tanzanianina teto.
Rehefa misy vahiny tonga toy ireny, indrindra fa ry zareo Troikan’ny SADC, izay nanankinana ny famahana ny krizy eto amintsika, hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace, dia tsy maintsy misy ny fihaonana amin’ireo mpanao sonia ny sori-dalana. Ilay minisitra tanzanianina anefa dia nilaza fa nanatitra taratasy fotsiny dia niverina ny androtr’iny ihany. Mipetraka ny fanontaniana hoe hatraiza no maha zava-dehibe izany hafatra izany ? Nahazo fiaramanidina manokana mihitsy mantsy ity iraka ity. Na dia mahatoky ny SADC sy ny Troika ary ny Vondrona Afrikanina aza ny etsy an-kianja Magro Behoririka dia naneho ny ahiahiny ihany ny CT Randriamamiarizafy Ignace sao mitady hilalao ny fiainan’ny Malagasy ny Troika. Nambaran’ny CST Leriva Manahirana moa fa dia aleo ny sehatra ambony eo anivon’ny Vondrona Afrikanina no handray fepetra, toy izay efa nataon’izy ireo tamin’ny Dr Leonardo Simao rehefa nanaotao foana teto amintsika ity farany. Basy atifi-kavana ny tenin’i Leriva Manahirana avy eo fa ny filohany ihany no niova ny an’ny Frantsay fa ny politikany dia tsy niova. Ireny zavatra nitranga ireny dia politikan’ny Frantsafrika, hoy izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.