Politique

Fiharian’ny mponina Atsimondrano Somparan’ny fitondrana HVM


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Nitaraina fatratra omaly ny depiote voafidy tao Atsimondrano, Voahangy Raharimanarivo, manoloana ny tsy mety fahavitan’ny fanarenana ireo

fotodrafitrasa fototra eny an-toerana izay tena mampijaly ireo mponina ka tsy ahafahan’izy ireo mihary araka ny tokony ho izy. Anisan’ny mampitaraina ireo mponina ny lalana eo amin’ny SYNPA izay mivoaka eo amin’ny fiholanan’Anosizato. Hamotaka indray izao io, hoy ny depiote, satria akaiky ny fahavaratra ary dia hiteraka fitohanana goavana. Efa nitaraina mikasika azy io tamin’ireo minisitry ny asa vaventy nifanesy izahay, hoy ny fanazavana, saingy tsy nisy nahafa-po. Ny minisitra farany teo aza nilaza mihitsy fa tsy misy tetibola hanamboarana azy io. Voatery nandray fanapahan-kevitra izahay depiote 2 eto Atsimondrano miaraka amin’ny ben’ny tanàna, hoy ny tenany, ny loholona moa tsy eto an-toerana, hiara-kisalahy amin’ny fanamboarana azy io ary nanapa-kevitra fa hatokana amin’izany ny CLD. Anisan’ny mampitaraina ihany ny fambolena. Taorian’ny fahavakisan’ny fefilohan’i Fenoarivo mantsy dia tara ny fanetsana satria tsy mbola vita ity fefiloha manondraka saha 20.000 ha ity. Efa ela no nilaza ny teo anivon’ny minisiteran’ny fambolena fa hatao ny fanamboarana kanefa ankehitriny mandroso ihany ny fotoana ary ho avy ny fahavaratra. Miangavy izahay, hoy izy, rehefa hatao ilay fanamboarana dia aoka mba ho ara-potoana fa tsy atao tandrametaka hampiverimberina ny olana nisy hatramin’izay.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT