Politique

Fihaonan’ny vondrona Afrikanina Nahazo doka tamin’ny BAD ny filoha kanefa…


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Omaly 9 febroary no nisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fihaonana an-tampony faha-33 ho an’ireo mpitondra fanjakana sy governemanta ao amin’ny Vondrona Afrikanina.

 

 

 Nanamarika ity lanonam-panokafana ity ny fifamindram-pahefana teo amin'i Abdel Fattah al-Sissi sy Cyril Ramaphosa izay hitantanana ny Vondrona Afrikanina mandritra ny iray taona. Ny sabotsy teo no efa niala teto ny Delegasionina Malagasy tarihin’ny filoha Rajoelina. Vao nigadona tany an-toerana ny filoham-pirenena dia nandray anjara avy hatrany tamin’ny fihaonana manokana, nokarakarain’ny filohan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), Atoa Akinwumi Adesina, niarahana tamin’ireo mpitondra fanjakana sy governemanta izay niompana indrindra tamin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nanambara moa ny filohan’ny BAD fa anisan’ny tompondaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara noho ireo hetsika ataon’ny fitondram-panjakana, indrindra any amin’ny faritra atsimo, araka ny tatitry ny fitondrana Malagasy. Nandritra ny lahateny izay nataony dia nasian’ny filoha Andry Rajoelina tsindrim-peo manokana ireo fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana eo amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny sakafo, ny fampidirana rano fisotro madio, indrindra ireo tetikasa famokarana sakafo ara-pahasalamana. Tena mahita ve ny BAD fa nisy sy nahomby ny politikan’ny fanjarian-tsakafo eto sa tatitra diso no voarainy ? Sa kosa ny asa ambara fa vao hatao no mahatonga ilay fandokafana ? Raha izay, misy tokoa ny vina iarahan’ny orinasa Nutriset sy ny fanjakana any Atsimo, saingy tsy mbola misy vokatra fa vao hanomboka. Voasokajy ho firenena faha-4 tena hanjakan’ny tsy fanjarian-tsakafo mantsy isika. 6% amin’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika (malnutrition aiguë) manerana ny Nosy, ary faritra 3 no mihoatra ny 10%. Mahatratra 42% kosa io raha ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka (malnutrition chronique), izay sokajian’ny OMS ho ambony indrindra manerana izao tontolo izao.  Inona izany no tena marina ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT