Politique

Fihaonana tany Paris Hampitombo indray ny trosan’i Madagasikara ?


  • Alatsinainy 05 Desambra 2016

Maro amin’ireo famatsiam-bola ho azo taorian’ny fihaonan’ireo mpamatsy vola sy ny mpampindram-bola natao tany Parisy ny 1 sy 2 desambra teo no fanomezana, raha ny fanazavan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina.

 

 Misy ihany anefa ampahany amin’ireo vola ireo no trosa fa azo aloa ao anatin’ny fotoana maharitra, hoy izy. Raha tsiahivina, vola mitentina 6,4 miliara dolara no azontsika avy any amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ary 3,2 miliara dolara kosa no azo avy amin’ireo mpamatsy tsy miankina. Tsy nampoizin’ny mpanara-baovao ny nahazoantsika ity famatsiana mitentina 10 miliara dolara ity. Loka azo noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny  kolikoly ve izy ity ? Iaraha-mahalala fa maneran-tany izay laza ratsin’ny firenena amin’ny resaka tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly mampahatsiahy ny raharaha Bekasy sy ny andramena tany Singapour. Anisan’ny tsikera matetika mahazo ny filoham-pirenena ny tsy fahaizany mihaino. Vao haingana no nivaivay ny tsikera nentin’ireo mpanao gazety nilazana fa fampandovana trosa ny taranaka faramandimby no hitranga mandritr’ity fihaonan’ny mpamatsy vola ity kanefa dia sahin’ny filoha ny nilaza fa mbola azo aloa afaka fotoana maharitra ireo trosa. Raoviana io fotoana maharitra io ? Mialoha ny hialany eo amin’ny fitondrana ve sa rehefa tsy ho eo intsony ny tenany ?

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT