Taorian’ny fampiantsoana fivoriana maika nataon’ny Troikan’ny SADC dia nandao an’i Madagasikara omaly tolakandro ny ampahany voalohany avy amin’ireo delegasionin’ny ankolafy politika sy ny solontenan’ny fitondrana tetezamita, anisan’ny tazana nandray ny fiaramanidin’ny Airlink teny Ivato omaly Atoa isany Omer Beriziky, praiminisitry ny marimaritra iraisana, Norbert Lala Ratsirahonana misolotena ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, Miandrisoa Marcel avy amin’ny ankolafy Zafy Albert, Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny kongresin’ny tetezamita no sady lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana.
Noho ny fahafenoan’ny toerana kosa dia tsy afaka nanainga omaly Atoa sy Rtoa isany Botozaza Pierrot, praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria, ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny minisitry ny varotra Olga Ramalason, samy avy ao amin’ny ankoafy Ravalomanana moa izy telo mianadahy ireo. Fa tsy tafainga omaly ihany koa Rtoa Annick Rajaona anisan’ireo misolotena ny filohan’ny tetezamita sy Lalatiana Ravalolomanana avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ary Pierrot Rajaonarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny. Araka ny fantatra dia anio talata ihany dia hihazo an’i Afrika Atsimo amin’ny alalan’ny sidin’ny Air Madagasikara ireto ampahana delegasiona tavela ireto ka tonga any an-toerana izy ireo izay vao manomboka ny fivoriana.
Taratasy fanasana ihany moa no voarain’ireo nasaina tamin’ity fivoriana tampotampoka ity, ka noho izany tsy mbola fantatra mazava ny tena votoatin’ny fihaonana, ny hany fantatra fotsiny, araka ny tsiliantsofina re avy any Afrika Atsimo, dia anisan’ny hanatrika ny fivoriana Atoa Marc Ravalomanana, ary tsy maintsy horesahana ao ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy 21 janoary lasa teo. Azo antoka fa hodinihina mandritra ity fihaonana ity ihany koa, ny fampiharana ny tondrozotra satria efa nisy ny tomban’ezaka ny amin’ny zava-bita sy tsy vita, nataon’ny SADC momba azy io. Raha ny tombantombana izany dia anio tolakandro no hanomboka any Johannesburg ny fivoriana ary mety haharitra roa na telo andro, tahaka ny mahazatra, raha ny fomba fiasan’ny Troika hatramin’izay no dinihana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.