Miditra amin’ny dingana faharoa indray ny fihaonana eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
Raha araka ny fantatra dia atsy Seychelles ihany no hitrangan’izany, na tsy misy aza ny vaovao ofisialy momba azy ity. Raha ny resaka mandeha dia efa omaly alatsinainy no nandao an’i Afrika Atsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, amin’ity anio ity kosa no voatondro fa hihazo ny nosy Seychelles ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Ny tsiliantsofina re no nahafantarana fa samy hihaona mitokana amin’ny mpanelanelana aloha ny roa tonta, izay vao hifanatrika. Rahampitso alarobia ny tena fihaonana.
Re ihany koa fa hifantoka amin’ny fifidianana ny adihevitra ka horesahana ny amin’ny hoe samy ho kandida ve Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, sa kosa samy tsy handray anjara amin’ny fifidianana ? Mizara ny hevitra amin’ity resaka ity na ny eto an-toerana na ny any ivelany, fa ny azo antoka fotsiny aloha dia tsy maintsy mitovy ny zavatra mihatra amin’izy mianaka ireto fa tsy mety ary vao maika hanakorontana raha toka ka misy ny mizana tsindrian’ila, ka hoe ny iray kandida ary ny iray tsy avela mirotsaka ho fidiana. Ankoatr’io dia mety tsy mbola maintsy horesahana ihany koa ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra fa ilay andininy faha 20, mahakasika ny fodian’ireo sesitany politika. Io andininy iray io no mampifanipaka, ny hevitry ny roa tonta hatramin’ny nahavoasonia ny tondrozotra. Ilay tondrozotra, rahateo moa toa vao maika manome vahana ny fifandirana, noho ny fisian’io andininy faha-20 io, milaza mazava fa afaka mody tsy misy fepetra eto Madagasikara ireo sesitany politika rehetra, ka anisan’izany i Marc Ravalomanana.
Ny andininy faha-45 indray anefa dia milaza fa mahefa tanteraka hanao ny asany ny fitsarana Malagasy ary tsy mitsabaka amin’izany ny SADC. Ankoatr’izay dia ny fitondrana tetezamita no tokony hiaro ny fianakaviana Ravalomanana sy ny fananany, ary tokony hikaroka ny fomba hametrahana tokoa ny fitoniana ka ajanona avokoa ireo fanenjehana ara-pitsarana. Ny zava-misy anefa dia nahita hevitra hafa indray ny sasany ka naato ny fanenjehana an’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara fa any amin’ny fitsarana Afrikana Tatsimo indray no nanaovana izany.
Tsy maintsy mbola hafana ny sehon-javatra rehetra, ny dinika fihodinana faharoa any Seychelles, ary tsy ho mora mihitsy ny fikarohana ny marimaritra iraisana. Na ahoana na ahoana ny fitrangan’ny olana, tsy maintsy misy vahaolana raha toa ka tena mijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena marina ny roa tonta. Fa kisendrasendra sa nokendrena hifanojo amin’ny fahatelo taona nanaovana ny fihaonana voalohany natao tany Maputo (Mozambika) ity fihaonana faharoa tanterahina atsy Seychelles ity. Nisy fifanarahana vita tany Maputo, ary maro ny niaiky fa iny no tena nampilamina an’i Madagasikara, saingy dia ny mpanao sonia sy nitaky ny hanajana izay nosoniavina mihitsy anefa no nivadika voalohany ka nampandamoka ny fifanarahana natao. Inona no hitranga any Seychelles amin’ity andiany faharoa ity ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.