Naneho ny heviny mikasika ny fihaonan’Atoa isany Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry eo ambany fiahian’ny SADC, tanterahina atsy Seychelles amin’izao fotoana ny Vondrona-Hetsika-Fahamarinana-Tetezamita Vaovao (VHFTV).
“Mahatsiaro tena izahay fa tompon’ity firenena ity ka mijoro fa tsy hanaiky hangina manana ny marina, ary tsy manaiky ny hanaovana ho tompon-trano mihono sy atao an-kilabao, ka tokony halefa mivantana “on line” sy “on live” ny dinika hifanaovana fa tompony tsy mangataka atiny ny vahoaka Malagasy !”, hoy ny fanambarana notaterin’ny Me Razafinjatovo Willy na Olala. Niantefa tamin’ireo filoha nantsoina hihaona atsy Seychelles ny fanambaran’ny VHFTV ka nilazany fa “raha niandraikitra ny fiadidiana faratampony eto amin’ny tany sy fanjakana ianareo, dia tadidio fa tsiny tsy ho zakanareo ny ho vokatry ny alahelon’ny Malagasy raha toa ka fandrebirebena sy fametsifetsena no hanjaka eo amin’ny fihaonanareo. Izay hatrany no efa niainana nandritry ny efa-taona latsaka izao, ka ampy izay ! Tsy ekenay ary tsy azonay leferina raha sanatria ka misara-maina fotsiny ianareo”.
Amin’ny VHFTV dia tsy sehatra hifanebahana, hifampitsarana sy hifanenjehana ity fihaonana ity fa ny tsy hiverenan’ny krizy intsony no tokony himasoana, hamelona tsirim-panantenana sy rivo-pihavaozana ho an’ny Malagasy. Ary mba hanapahana tarangana ny lonilony nanjaka hatramin’izay, dia mahazo milatsaka hofidiana ho Filohan’ny Repoblika izay rehetra maniry hanompo ny firenena. “Noho izany dia tsy afaka ny tsy hilatsaka Andriamatoa isany Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry”. Noho ny sata sy ny adidy nisaloran’Atoa isany Amiraly Ratsiraka Didier, Pr Zafy Albert, Ravalomanana Marc ary Rajoelina Andry Nirina dia andraikitr’izy efa-mianaka ny miara-misalahy hamonjena ny Malagasy. Latsaka an-katerena koa ny foloalindahy, hoy ny VHFTV, koa ilaina ny fampitambarana ny herin-dRavalomanana Marc sy Rajoelina Andry hifehezana tanteraka ny miaramila. Manana andraikitra izy ireo hanasa ireo filoha voafidy teo aloha, izay filoha faratampon’ny foloalindahy tamin’ny androny hiaraka hisalahy amin’io andraikitra io.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.