Hanomboka amin’ity talata 24 jolay ity ny fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay hatao atsy amin’ny nosy Seychelles.
Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia any Desroches, nosy kely any amin’ny 230 km atsimo andrefan’i Mahé renivohitra no hanatanterahana ny fihaonana. Omaly alatsinainy 23 jolay, nialany teto Madagasikara i Andry Rajoelina dia efa nihazo ity tanàna ity. Miara-dia aminy i Mialy Rajoelina vadiny, Ratsirahonana Norbert Lala (mpanolotsainy manokana), Maharante Jean de Dieu (mpitsara sady mpahay lalàna sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita), ary Rtoa Annick Rajaona (Tale misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny tetezamita).
Araka ny fantatra dia anio talata 24 jolay maraina kosa ny filoha Marc Ravalomanana no hiala atsy Afrika Atsimo ary hivantana avy hatrany any Desroches. Mandeha irery ny filoha Ravalomanana hiatrika ity fihaonana ity. Mpiambina manokana no manaraka azy. Samy manana ny paikadiny izany ny andaniny sy ny ankilany hiatrehana ity fihaonana ao Seychelles ity. Maneho Atoa Marc Ravalomanana fa olon-dehibe izy, mahaleotena, manana ny feon’ny fieritreretany ary matoky tena. Ireo mpomba azy aty Madagasikara etsy ankilany milaza fa “matoky ny lehibenay izahay”. I Andry Rajoelina, n’inona n’inona fanazavany teo am-piaingana teny Ivato omaly, dia efa mampiseho fa olona miankin-doha amin’ny hafa izy amin’ny fitondrana ireo olony ireo. Ho sarotsarotra ihany ny hampitovy tandin-dokanga amin’izany. Raha araka ny tsiliantsofina mantsy dia fifanatrehana mivantana eo amin’izy mianaka avy hatrany no hatao fa tsy hisy ny fihaonana savaranonando miaraka amin’ireo delegasionin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma sy Atoa Joaquim Chissano no mpanelanelana ka hiaraka hihidy aman-trano amin’izy roa fototry ny krizy eto Madagasikara izao.
Tsiambaratelo
Ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka ny fomba hitondran’ny SADC ity fihaonana ao Seychelles ity. Hatreto dia tsy misy mahafantatra ny tena lohahevitra hifampidinihana fa dia tombantombana no betsaka hoe tsy maintsy misy fifandraisany amin’ny fampiharana ny tondrozotra sy ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ary ny fampihavanam-pirenena sy ny fifidianana no hifampidinihana any. Raha niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, omaly maraina mialoha ny nandehanany Atoa Andry Rajoelina dia nilaza fa izy tenany mihitsy no nangataka tamin’ny SADC ny hanatanterahana ity fihaonana ity.
Notsipihany ihany koa fa tsy handray fanapahan-kevitra mety hitarika korontana ny tenany ary tsy maintsy ny tombontsoa ambonin’ny firenena no banjinina. Atoa Marc Ravalomanana moa dia nilaza fa efa hatry ny ela no vonona. Mitodika any Seychelles indray izany, anio sy rahampitso ny sain’ny mpanara-baovao. Raha ny tokony ho izy dia vita rahampitso alarobia amin’ny alalan’ny fanasoniavana fifanarahana sy fanaovana fanambarana iombonana, ity fifanatrehan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ity. Ny sehatra iraisam-pirenena moa, tamin’ny alalan’ny vondrona SADC dia hita sy tsapa mihitsy fa manery azy mianaka ireto mba hifanara-doha sy hahita marimaritra iraisana ao anatin’ny roa andro, fa raha tsy izay dia ho avy ny sazy ho azy ireo sy ny ankolafiny tsirairay avy.
RTT sy Jean D.
Sary : Andry Rajoelina mivady mialoha ny handraisany fiaingana teny Ivato omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.