Lasa nisoko mangina nankany Frantsa indray ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina.
Ny dia any ivelany no nahamaika azy fa ny tabataba sy ny hiakiakan'ny vahoaka ianjadian'ny fahantrana sy ny akon'ny krizy tsy mety mivaha, na iniana itarina tsy nahoany. Tsy mba mihaino ny hetahetan'ny vahoaka fa miridiridy amin'ny fisainany irery, mampanjaka ny fitiavan-tena tanteraka. Ny mahagaga ny mpanara-baovao eto dia ny antony tsy mba anekeny ny fihaonana eto amin'ny tanintsika izay efa angatahana sy andrandrain'ny maro. Fa inona kosa ary no antony e ? Matahotra ny fiverenan-dRavalo ve sa dia handà tsotra izao ny fifampiresahan'ny samy Malagasy fa hanao be tatibolana sy hisolelaka amin'ny vahiny ? Amin'ny maro, mbola te hampanjaka ny gaboraraka amin'ny fitantanam-panjakana sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy. Ny kiantranoantrano sy resa-pianakaviana manginy fotsiny.
Ho an'ny vahoaka amin'izao fotoana dia toa tsangan'olona sisa ilay filohan'ny FAT satria dia mpivadibadi-dela tsy mitana ny teny nambarany hatrany.
Raha ireo no fahitan'ny vahoaka ny kisarisarin'ilay filohan'ny tetezamita, azo inoana ve fa hipetraka marina ny fisian'ny fiaraha-mitantana sy ny marimaritra iraisana ? Ny misy mantsy ankehitriny dia fihinin'ny mpomba an-dRajoelina avokoa ny andrim-panjakana rehetra raha tsy hilaza afa tsy ny CST izay vao nametraka ny filohany ny talata 06 desambra 2011 teo. Azo lazaina ho efa mpomba azy ihany koa ny praiminisitra Beriziky, raha vao nanomboka nanitsakitsaka ny voalazan'ny sori-dalana, tamin'ny nanambarany mikasika ireo gadra sy sesitany politika.
Hatreto, tsy nisy afa tsy ny CT no mba hany ahafahan’ny mpanohitra mitantana, satria ny ankamaroan’ireo rafitra dia an’i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy avokoa. Tsy hita taratra loatra mantsy ilay "consensualité" sy "inclusivité" hirahiraina sy ventesina isan'andro. Tsy azo antoka, hoy ny mpanao politika maro, ny mbola hahazoana ny fankatoavana na dia heverin'ny sasany fa mizotra mankany amin'izany aza ny toe-draharaha misy ankehitriny. Hatramin'izao anefa dia mbola i Frantsa “Renimalala fahiny” ihany no nihazakazaka tsy nanaiky ho gisitra nisekoseko nanome fanampiana ho taratry ny fanombohan'ny fankatoavana angaha ? Tsy hisy izany, na dia miezaka manao sarintsariny aza ny firenena Frantsay. Tsy mbola miray hevitra aminy anie ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona iraisam-pirenena e !
Efa saika mirona mankany amin’ny fisainana ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony avokoa izao ireo firehana sy vondrona maro samihafa. Ny sasany ihany no miziriziry amin’ny heviny, na dia efa hita taratra aza fa hany lalana ahafahana mitady vahaolana maharitra amin’izao krizy izao izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.