Politique

Fihaonana an-tampony Antenain'ny maro an'isa


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Efa nandramana avokoa rehefa nety ho vahaolana noheverina ahafahana niala tamin'ny krizy nianjady tamin'ny firenena, saingy mbola izao ihany no vokany.

 Vao miha miditra anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena noho ny fitiavan-tenan'ny sasany. Raha natao ny fanadihadiana teny rehetra teny, tsapa fa saika tsy manam-bahaolana intsony azony aroso ny ankamaroan'ny olom-pirenena afa-tsy ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony eto Madagasikara, araka ny naroson'ny Amiraly Didier Ratsiraka. Io ihany sisa no vahaolana andrandraina raha ny filazan'ny maro, na olon-tsotra io, na mpanao politika, eny hatramin'ny mpitondra fivavahana aza. Ireo vahiny ihany koa anefa efa mametraka ity fihaonana ity, satria tsy hitany rahateo izay mety haharatsy azy eto amin'ny firenena. Raha tena io tokoa no vahaolana, azo atao ny miroso aminy. Ny fanontaniana mampiahiahy ny maro kosa dia ny hoe tsy hiteraka korontana hafa ve ny fanatanterahana azy ? Handray anjara avokoa ve ireo filohan'ny fikambanana samihafa sy antoko politika rehetra ? Handray anjara ve ny tarik'i Andry Rajoelina ? Mbola valala manidina ihany mantsy raha ny fahitana azy io, ary maro mihitsy ireo nihevitra fa lasa niampita niaraka amin'ny namorona sy nanolotra azy ny soso-keviny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT