Politique

Fihaonan’ny Vondrona 8 Namoaka fehin-kevitra niraisana


  • Talata 13 Septambra 2011

Na dia teo aza ireo nivoaka niala ny efitrano nivoriana tao Anosikely omaly, dia nahatafavoaka fehin-kevitra ihany ry zareo V8.

 Nanao sonia ity fehin-kevitra ity avokoa ny rehetra afa tsy ny Les AS izay tsy tao intsony ny mpitarika azy dia i Voninahitsy Jean Eugène. Tapak’izy ireo ary mikasika ny fandrindrana anatiny fa miteny amin’ny feo sy hevitra iray ny V8 mandritra ny fihaonana sy fivoriana izay mety hotanterahana. Izay rehetra miteny amin’ny anaran’ny vondrona iray dia tompon’andraikitra amin’izany. Mikasika ny sori-dalana kosa, dia ny fanovana amin’ny andalana faha-20 tamin’ny 17 jona nankatoavin’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC Dr Salomao no hatao sonia amin’ny 16 septambra izao.

Tsy maintsy atao kosa, hoy izy ireo ny fanatonana ny Ankolafy telo ary misy taratasy mitovy omen’ny vondrona valo azy ireo mialoha izany. Hahazo taratasy ihany koa ny SADC raha ny fanambarana nataon’ireto V8 ireto. Nanao sonia izany moa Atoa Benjamina Ramanantsoa (Escopol), Ndremanjary Jean André (HPM), Pierrot Rajaonarivelo (MDM), Lanto Rakotomavo (TGV), Marson Evariste (UDR-C) ary ny solontenan’ny GMMR sy ny TIM izay tsy voatonona anarana no tsy hita tao anatin’ny taratasy nisy ny sonia.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT