Nohamafisin’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato, omaly teny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka fa hisy ny fanambarana lehibe hataon-dry zareo parlemantera ao amin’ity ankolafy ity rahampitso sabotsy 14 jolay ka manentana ny mpiara-mitolona rehetra sy ny vahoaka monina na mandalo eto Antananarivo izy ireo hameno an’ity kianjan’ny tolona Behoririka ity. Mikasika ny fampihaonana ny filoha Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina dia hanentananay ny SADC ny mba hanafaingana an’izany mba hitondra vahaolana ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao krizy mahazo azy izao. Satria izahay ankolafy Ravalomanana, hoy izy, efa nanao sonia ny tondrozotra dia manaja izay ary matoky ihany koa ny mpampanao sonia hampanaja ny fifanarahana.
Ny filoha Ravalomanana, hoy izy, dia tsy nametraka fepetra be ny amin’ity fihaonana ity fa vonona tanteraka na dia rahampitso dia rahampitso aza hiatrika izany. Ny vahoaka malagasy, hoy ity CT avy eto Analamanga ity, no mitaky ny hanaovana izany fihaonana izany eto Madagasikara satria olan’ny vahoaka Malagasy no hovahana. Ka izahay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy izy, dia manameloka ny tetika samihafa sy eritreritra hanao izay hampandamoka ity fampihaonana ity. Ary dia mbola manameloka ihany ny fitadiavan-kevitra ny amin’ny hanemorana lava azy io sy ny tsy hahatanteraka azy mihity aza. Raha ny zava-misy ankehitriny, hoy ny CT Feno, dia azo ambara fa i Andry Rajoelina mihitsy no marisarisa amin’ny fanatanterahana an’ity fihaonan’izy mianaka ity raha ny fihetsika nasehoany sy fanambarana nataony tao ho ao no asian-teny.
Mbola ny mpanolontsainany manokana indray ohatra no nalefany hihaona amin’ny filoha Marc Ravalomanana tany Afrika Atsimo nefa tsy noraisin’ity farany. Tonga hatrany amin’ny fanambaniana ny parlemantera amerikana nandalo farany teto amintsika azy izany fihetsiny izany. Ny an’ny Amerikanina anefa ireny parlemantera ireny tena manana ny maha izy azy fa mahatapak’ahitra amin’ny fiainam-pirenena mihitsy fa afaka mametra ny tsy fandraisana ny fanafarana lavanila avy aty Madagasikara na dia tsy ambara mivantana aza izany. Afaka mandray fepetra amin’ny tsy fikajiana ny tontolo iainana izay tena andanian’ny Amerikanina vola be tokoa. Tadidio, hoy ny CT Feno, fa ny filoha amerikanina ankehitriny dia efa anisan’ny nandalo tao amin’izany parlemantan-dry zareo izany vao tonga teo amin’ny toerany ka sao dia ianao aza no tsy eo amin’ny toerana tokony ho anao fa tongatonga ho azy eo ka manivaiva rafitr’olona tahaka izao. Misy akony be dia be amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ny teny tsy voahevitra nataon-dRajoelina mikasika ny Kongresy amerikanina ireny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.