Politique

Fihaonan’ny Carlton Sineman-dRajoelina


  • Alakamisy 23 Mey 2013

Mbola hisy fihaonana hafa indray karakarain’ny FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy anio. I Andry Rajoelina irery mantsy no tonga teny amin’ny hotely Carlton omaly tolakandro ka tsy nisy ny fanapahan-kevitra tapaka.

 Samy tsy hita teny an-toerana i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy sy i Didier Ratsiraka izay voalaza fa samy mbola nanana fandaharam-potoana hafa moa. Nilaza ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain fa nahafahana namantatra zavatra maro ny dinika omaly ary tsy maintsy mbola hisy ny tohiny. Ezahina ny hiantso ireo kandida roa, hoy ny filohan’ny FFM. Naharitra ora telo teo ny fifampidinihan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny Foloalindahy, ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra ary ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana teny amin’ny hotely Carlton Anosy omaly tolakandro.

Fifanakalozan-kevitra no natao fa tsy nisy ny fanapahan-kevitra afaka noraisina. Nanambara i Andry Rajoelina fa somary velon’ahiahy ny amin’ny hisian’ny fifidianana amin’ny 24 jolay raha toa ka mihantona ny famatsiam-bolan’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanamarika kosa anefa izy fa efa manana 24,5 tapitrisa dolara, vola azo tamin’ny namarotana ny fiaramanidina Air Force One 2 ny fitondrana tetezamita, hikarakarana ny fifidianana raha sanatria ka tena tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany. Raha ny vinavina sy tetibola nataon’ny CENI-T dia manodidina ny 60 tapitrisa dolara ny vola tsy maintsy eo am-pelatanana raha hanatanteraka fifidianana manara-penitra isika amin’ity taona ity.

Tsikaritra tamin’ny fomba firesak’i Andry Rajoelina omaly fa tsy mbola mieritreritra ny hametra-pialana izany mihitsy ny filohan’ny tetezamita fa hiandry ny minitra farany mihitsy angamba. Izy rahateo moa efa zatra tara lamasinina ka mety aorian’ny 26 mey araka ny voalazan’ny lalàna indray angamba, vao mety hametra-pialana ny lehilahy dia ombana taratasy fanazavana indray ilay izy. Hatreto aloha dia mikatso ity hetsika iarahan’ny FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy ity satria kandida roa amin’ny telo no tsy tonga teny amin’ny Carlton. Ny mpomba an-dRamatoa Lalao Ravalomanana teny amin’ny Magro Behoririka, omaly dia nanamafy fa tsy hitsoaka an-daharana izany i Neny. Mitohy ny tolona, hoy izy ireo. Ny amiraly Ratsiraka ihany koa, hatreto aloha dia kandida ary teniny moa ny hoe : tenin-dehilahy sy tenina manamboninahitra ambony ny azy ka tsy miovaova izany. Dia ho hita eo ny ho tohiny. Hita ho manaratsy endrika ity diniky ny Carlton ity eo imason’ny maro ny fidirana an-tsehatry ny foloalindahy, izay vao nanamafy iray volana lasa fa tsy hanao politika ; dinika politika anefa no resaka eto. Tsy vitsy koa no mieritreritra fa sao lahy ka sineman’ny ankolafy Rajoelina ihany ity resaka ity ka handany andro fotsiny satria, mety misy tanan’ny Frantsay indray ao ambadik’io ?

Omaly moa dia nanao fampitam-baovao ny fianakaviamben'ny foloalindahy mampahafantatra fa ny fandaniana rehetra tamin’iny fikaroham-bahaolana natao tao amin’ny Carlton ny 21 sy 22 mey 2013 teo iny dia niantsorohan'izy ireo manontolo. Ny tohin'ny fivoriana dia hotanterahina eny amin’ny Ministeran'ny foloalindahy eny Ampahibe.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT