Politique

Fihaonan’ireo filoha 4 mirahalahy Ravalomanana sisa andrasana !


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Tsy ny mpikatroka Arema irery no velom-bolo sy velom-panantenana amin’ny fahatongavan’Atoa Didier Ratsraka fa sokajin’olona maro eto amin’ny firenena, anisan’izany ny zanak’i Dada na ny mpomba an’i Marc Ravalomanana izay tsy kivy tsy ketraka fa mbola manohy isan’andro ny tolona eny amin’ny kianjan’i Magro.

Ho azy ireo dia efa fambara zavatra ny fahafahan’ny amiraly miditra eto Madagasikara. Ity farany tokoa mantsy dia mitaky ny hisian’ilay fivorian’ny filohan’ny ankolafy 4, izany hoe i Andry Rajoelina, Marc Ravalomanana, Zafy Albert ary Didier Ratsiraka. Efa samy eto Madagasikara izany manomboka amin’ity anio ity ireo filohan’ankolafy 3, fa ny iray sisa no mbola tavela any Afrika Atsimo. Koa raha tena mitazona ny teny omeny tokoa Atoa Ratsiraka dia hihetsika ny amin’ny hanatanterahana io fihaonana io izy, ary handresy lahatra ireo izay mbola misalasala ny amin’ny tsy maintsy hodian-dRavalomanana ihany koa. Raha ny fahafantarana azy hatramin’izay aloha dia olon’ny teny naloaky ny vavany ny amiraly, ary tsy mivadibadika izany, fa ho hita eo ihany ny tena hataony rehefa tonga izy. Ireo mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kosa, etsy ankilan’izay dia efa manantena fa ho avy tsy ho ela koa i Dada, satria izy irery sisa no andrasana dia irosoana amin’izany ny fihaonana tena hamaha ity krizy tsy mety vita ity.

Efa mazava izao fa tsy ho lasa lavitra ity governemanta Beriziky ity, ary tsy misy vahaolana hafa intsony, fa mila mihaona sy mifanaraka mihitsy aloha ireo loharano nahatonga ny krizy. Tsy filam-baniny mihitsy ny anay, hoy ny mpitolona iray etsy amin’ny Magro fa filazana ny zava-marina. Nambarany fa tsy misy antony tokony hiresahana izany hoe governemantan’ny firaisam-pirenena sy fampihavanam-pirenena izany mihitsy aloha, raha tsy mbola mifanaraka tsara ireto filoha ireto, izy ireo mantsy no ray aman-dreny ary samy mahalala tsara ity Nosy ity no sady mbola samy manana ny mpanohana azy tsirairay avy. Koa raha mahay miresaka sy mihavana izy ireo dia mora ny mampihavana ny Malagasy ary mirindra kokoa ny asa fanarenana ity firenena ity. Maro koa ankehitriny no mahita fa tena lalaovin’ny vazaha isika satria tsy mahay mifanaraka fa toa mifamingana indray aza, kanefa tsy midika velively ho fanilihana ny hafa mihitsy ny hoe fitondrana tetezamita, fa kosa fanovana rafitra sy fomba fiasa ary fanarenana ny tsy nety natao teo aloha.

Raha samy manaiky fa diso ary vonona ny hanarina ny tsy nety natao, inona no hanakana ny fihaonana sy fifampiresahana ? Araka ny fantatra hatramin’izay tokoa mantsy dia ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina mihitsy no tsy mety mihaona amin’Atoa Ravalomanana na dia efa nisy aza ny fotoana saika nanatanterahana izany. Tena mbola mahagaga ny maro hatramin’izao ny antony tsy haneken’ny filohan’ny FAT hiresaka mivantana amin’ilay olona naongany, izay tsy mitazona lolom-po fa vonona ny hifanazava sy hikaroka ny marimaritra iraisana. Mety ho mora kokoa anefa ny famahana ny krizy raha tafaresaka tsara izy ireo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT