Milaza ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD Vaovao sady mpitarika ny vondrona Les AS fa tsy ankasitrahiny ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, izay takian’ny SADC ny hanatanterahana azy haingana, hamaranana ny krizy eto Madagasikara.
“Tokony hiera aminay mpomba azy i Andry Rajoelina”, hoy i Voninahitsy raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fotoam-pamaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny Kongresin’ny tetezamita ny zoma 29 jona teo. Ankoatra izay dia nokianiny koa ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, izay mpifaninana taminy tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny andrim-panjakana mpanao lalàna amin’ny tetezamita ity, raha nilaza fa mandeha ila ny fiaraha-mitantana ny tetezamita.
Tokony holanjalanjain’ny filoha Mamy Rakotoarivelo ny teny ataony, hoy i Voninahitsy Jean Eugène. “Milaza izy fa mandeha ila ny fiaraha-mitantana, nefa tsy iza fa izy no mampandeha ila an’io ! Isaky ny fanokafana sy famaranana fivoriana izy no tonga dia manao kabary tsy nifanarahana akory. Tsy tokony hiteny an’izany mandeha ila izany koa izy satria sady tsy mivory ao amin’ny CST sy CT izy ireo no tsy mivory amin’ny filankevitry ny minisitra sy filankevitry ny govenemanta”.
Raha izaho no tamin’ny toeran-dry zareo dia naleoko nivory toy izay tsy nivory izany satria ao anatiny ao no afaka manitsy zavatra fa tsy ety ivelany ety, hoy hatrany i Voninahitsy. “Ka aminay dia tsy tokony hanao izany ry zareo fa rehefa miala dia miala tanteraka”. Ny fiheveran’ny sasany izany dia hoe izaho manohitra azy. Ny nilatsahako hofidiana ho filohan’ny Kongresy teo anefa dia ny hitsapako ny heriko ary tsy hamelako ny adversera politikako hilalao baolina samirery. Tsy nanelingelina ny mpandresy anefa aho fa izy no malailay fonosana, hoy ity filohan’ny vondrona Les AS ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.