Politique

Fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina Tsy laharam-pahamehana, hoy ny CT Randrianasolo Nicolas


  • Alarobia 06 Jona 2012

Naneho ny heviny manoloana ireo raharaha manamarika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny CT Randrianasolo Nicolas avy any Betroka.

 Momba ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina araka ny takian’ny SADC dia milaza ny tenany fa “tsy laharam-pamehana izany”. Raha resaka fampodiana an-dRavalomanana, hoy izy, no hodinihana dia tsy hampitony mihitsy izany fa mety hampiteraka korontana aza satria na ireo mpitarika ny ankolafiny izay mitsentsitra ny volany aza dia anisan’ny manakana ny fodiany. Ahiany hiteraka adin’ny samy sivily koa ny fidinana an-dalambe ataon’ny mpanohana Free FM, hoy ity mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity satria hanangan-tsandry amin’ireo mpanakarontana ny asa fivelomany ireo mpivarotra eny Ambohijatovo sy Analakely izay voatery mangoron’entana tsy satry isaky misy ny korontana. Amin’ny CT Randrianasolo Nicolas dia tsy tokony hisy izany fidinana andalambe izany intsony izao araka ny voalazan’ny tondrozotra.

Milaza koa ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity fa rariny raha miandany amin’ny fitondrana ny mpitandro ny filaminana izay eo ambany fifehezany. Nilaza ny heviny koa ny tenany momba ireo fitakiana sendikaly isan-karazany ka nanambarany fa marim-pototra izy ireny satria tena ambany ny fahefa-mividin’ny mpiasam-panjakana. Na izany aza, hoy izy, dia tsy azo terena toa voalobo-jaza sy atao takalon’aina ny vahoaka satria tsy manam-bola ny fanjakana. “Pi-maso atao amin’ny mpamatsy vola ireny asa isan-karazany ireny hanampiany antsika. Maneho hoe miasa aloha fa tsy mangataka avy hatrany”.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT