Maromaro ihany ireo tsy nanantena zavatra firy tamin'ny fihaonan'i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tany Seychelles, maro an'isa amin'izany ireo mpanao politika mpikaramanady.
Fantatra kosa izao fa nisy vokany iny fihaonana iny. Avy amin'ny hevitra sy adihevitra nivoaka tany mantsy no nandrafetan'ny SADC ilay fehin-kevitra farany ny sabotsy teo. Nisy ihany ny fihainoan'i Marius Fransman ireo vondrona politika teto an-toerana farany teo, saingy tamin'ny ankapobeny dia hita fa tena fandravonana ny hevitry ny filohan'ny tetezamita sy ny filoha teo aloha mihitsy ilay fehin-kevitra navoaka tany Maputo. Hita ihany ny marimaritra iraisana teo amin'ny fifandiran'ny roa tonta.
Tsy mitsipaka intsony ny fodian'ny filoha teo aloha intsony, i Andry Rajoelina ary nanapa-kevitra ny hiverina hiasa ara-dalàna ao anaty rafitry ny tetezamita amin'izay ireo Zanak’i Dada. Efa tena zava-dehibe amin'ny famahana ny krizy aloha izay fa manaraka eo fotsiny ny ambiny. Tsy azo adinoina anefa fa politika no resaka eto, io ilay hoe tsy miady, tsy miady fa kobay an-kelika ihany, indrindra moa fa mbola maro ireo mpanao politika tsy faly amin'ny mety hihavanan'i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.
Amin'izy ireo mantsy dia tokony hifandrafy mandrakizay izy mianaka ireo. Kihon-dalana iray vaovao indray amin'ny famahana ny krizy ny fivoriana tany Maputo iny ka namoahan'ny SADC fanambarana matotra sy mazava kokoa, noho ireo rehetra efa nisy teo aloha. Manomboka eto dia tsy maintsy hisy ny zavatra hiova ary tokony hanomboka hilamina amin'izay ny fiaraha-mitantana. Voaporofo indray izao fa ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, aloha hatramin'izao, no azo sokajiana fa vondrona politika matanjaka eto Madagasikara ary manana ny toerany eo amin'ny famahana ny krizy, no sady eken'ny sehatra iraisam-pirenena hifampiraharaha aminy mivantana. Tsy nisy izao dingana lehibe vita izao raha tsy nihaona nitokana ingahy Ravalomanana sy Rajoelina, no sady samy niresaka tamin'ny SADC ihany koa. Efa tena miantraika mafy amin'ny vahoaka rahateo ny krizy ka mety ho izay angamba no nahatonga ny roa tonta nifanaiky fa hamoaka marimaritra iraisana amin'izay, ary nanaiky fa hanaja sy hanatanteraka ny fehin-kevitry ny SADC, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.