Politique

Fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina Mitsatsaka ny FAT


  • Alarobia 13 Jona 2012

Aorian’ny 26 jona 2012 no hanatanterahana ny fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

 Izay raha fintinina ny ventin-kevitra nivoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta, tarihin’ny praiminisitra Beriziky omaly, ary nampahafantarin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rajaonarivelo Pierrot. Mazava ny resaka eto fa dia tsabahan’ny fanjakana indray ity raharaha ity, ary salovanin’ny FAT ny asan’ny SADC. Nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny SADC tany Luanda, renivohitr’i Angola, ny 31 mey sy 01 jona, teo no nanapahan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ny tsy maintsy hampihaonana haingana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Rajoelina. Nankinin’izy ireo amin’ny birao fifandraisan’ny SADC sy ny Troika ny fanatanterahana izany, ary ireto farany no hamaritra ny toerana sy ny daty hanatanterahana azy. Mazava ny andraikitra fa dia ny SADC sy ny Troika no tompon’ny teny farany amin’io fampihaonana io, fa tsy ny FAT. Ankehitriny dia milaza ny fitondrana fa aorian’ny 26 jona, no hanaovana io fihaonana io, mba hahafahan’ny Malagasy mankalaza ny fetim-pirenena am-pilaminana sy am-pitoniana.

F’angaha efa azo antoka fa hatao eto Madagasikara ilay fihaonana, araka ny takian’ny zanak’i Dada ka ahiana sao hisy hanakorontana raha tonga eto i Marc Ravalomanana ? Tsy handray anjara amin’ny dinika ve izany i Andry Rajoelina raha milaza ny SADC fa atao amin’ity herinandro ity ilay fihaonana, noho ny hamehana araka ny namaritan’izy ireo azy ary tohanan’ny Vondrona Eoropeanina ihany koa ? Sa tonga amin’ny fitenin-jatovo hoe mitsatsaka ny FAT na manao adin’ny kanosa, ka mangatak’andro satria tsy hanan-kambara ny amin’ny tsy mbola mampifarana ny tetezamita mandraka ankehitriny.

Ny zava-misy koa dia mbola mampihatona ny fandraisana anjarany amin’ny fivoriana rehetra andraisana fanapahan-kevitra, na eo anivon’ny Parlemanta na eo anivon’ny governemanta ny ankolafy Ravalomanana. Midika io fa raha ny nanapa-kevitra ny filankevitry ny goveremanta, omaly fa aorian’ny 26 jona vao hotanterahina ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina, dia fanapahan’olon-tokana satria minisitra avy amin’ireo vondrona manohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 no hany mivory sy manapa-kevitra ao. Ankoatra izay ary manoloana ny grevy miseho lany etsy sy eroa, afaka hiantoka filaminana sy fitoniana eto ve ny fitondrana alohan’izay fifanatrehana imaso eo amin’ireto olona roa fototry ny krizy eto Madagasikara ireto ? Ny filazana na koa famaritana fa aorian’ny 26 jona vao hisy ilay fihaonana dia midika ho finiavana ankolaka hanohy ny tetezamita taritokana, ary dia mbola hitarika fanin’efany ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona indray i Andry Rajoelina.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT