Niantso mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Nalugaro 67 omaly ny Vondron’Olon-Tsotra na VOT manohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nanao tatitry ny fihaonan’izy ireo tamin’ny solontenan’ny SADC eto Madagasikara ny zoma 29 Jona teo.
Nambaran’i Zoé Sarah mpitarika ity fikambanana ity fa nanamafy tamin’izy ireo ny SADC fa tsy maintsy tanterahina ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina, ary tsy ho ela. Tsy mbola nambara tamin’izy ireo kosa ny toerana hanatanterahana io fihaonana io, na dia mandeha aza ny feo fa mety ho any Luanda renivohitr’i Angola raha toa ka Antananarivo Madagasikara no takian’ny VOT. Mialoha izany dia efa mifampiresaka amin’ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra ny solontenan’ny SADC ireo ankehitriny, miangavy mba samy hanabe ny vahoaka ny amin’ny fitoniana na aiza na aiza toerana hanaovana ny fihaonana. Ny SADC kosa etsy andanin’izay dia nanamafy fa handray andraikitra manoloana izay fehin-kevitra hivoaka eo. Anisan’ny nampahafantarinay ny SADC nandritra izany, hoy hatrany i Zoé Sarah, ny fahasahiranana iainan’ny vahoaka Malagasy, sy ny olana miajady amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Aminay, hoy izy, dia tsy misy vahaolana ivoahana amin’ny krizy afa tsy ny fihaonana eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina io. Raha toa ka mbola hitarazoka indray na sanatria tsy ho raikitra mihitsy io fihaonana io dia nampitandrina ny VOT fa handray andraikitra izy ireo, ka mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.