Tsy mbola fantatra hatreto ny tanŕna handray ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, toraka izany koa ny andro hanatanterahana izany, hoy i Pierrot Rajaonarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny.
Amin’ny herinandro ambony mantsy vao hamoaka ny daty sy toerana ny SADC. Loharanom-baovao hafa kosa no manamarika fa hotanterahina alohan’ny fihaonambe faha-19–n’ny Vondrona Afrikana, atao any Addis-Abeba ny 9 ka hatramin’ny 16 jolay, io fihaonana io. Tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka kosa omaly mahakasika ity raharaha ity dia nazava sy nahitsy ny nambaran’ny CST Ramarosonarivo Jeanson (MFM) fa tsy azo ihodivirana intsony ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
Tokana ny vahaolana hivahan’ny krizy, hoy izy, dia ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ialohavan’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana. Fa nivoitra tetsy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny omaly fa tsy ny SADC samirery intsony no hanana biraom-pifandraisana eto fa hanana ny azy koa ny Vondrona Afrikana ary hiaraka hiasa ireo satria iray ny tanjona. Nilaza i Taiati Mourad, lehiben’ny delegasion’ny Vondrona Afrikana manatanteraka iraka eto amintsika fa ny fanampiana an’i Madagasikara hivoaka amin’ny krizy sy ny fanatanterahana ny tondrozotra no andraikitra sahanin’ny biraom-pifandraisana Vondrona Afrikana/SADC taorian’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy. Kely sisa dia hijoro ara-dalàna io biraom-pifandraisana iraisana io, araka ny fanazavany hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.