Politique

Fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina Efa antomotra


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Samy tsindrin-daona ny rehetra miandry ny fanambarana ofisialy ny daty sy ny toerana hanatanterahana ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina.

 Hatreto aloha, tsy mbola misy fanambarana ofisialy, na efa tamin’ny 01 jona 2012, taorian’ny fivorian’ny tsy ara-potoanan’ny SADC tany Luanda, aza no nanambara fa hatao haingana ny fihaonana. Raha ny zava-misy indray anefa no zohina dia tsy ho ela io fihaonana io, fa efa antomotra. Tonga teny Ankorondrano, nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny birao fifandraisan’ny SADC ny ankolafy Ravalomanana, notarihin’ny lehiben’ny delegasiona sady filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Tsy nisy nipika ny diniky ny roa tonta, ary nifamepetra mba tsy hisy hanao fanambarana amin’ny mpanao gazety koa izy ireo. Azo antoka fa mba hialana amin’ny vavan’ny mpanaty ran-kena sy mpanao angoan-tenda no anton’io. Loharanom-baovao hafa no andrenesana fa dia tsy maintsy atao ny fihaonana ary efa mamaramparana ny fanomanana ny fanatanterahana azy io ny SADC.

Etsy amin’ny Magro Behoririka eo andanin’izany dia tsy mitsahatra ny manamafy ny fitakiana ny hanatanterahana io fihaonana io eto Madagasikara, mba tsy ho tompontrano mihono ary vavolombelon’ny zava-mitranga ny Malagasy, raharaha tokantranon’ny Malagasy rahateo no dihinina. “Rehefa matahotra hihaona dia mialà”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Miverimberina ao an-kianja tato ho ato fa “na misy na tsy misy fihaonana dia tsy maintsy mody ny Dadanay”. Nanamafy izay ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpikambana ao amin’ny antoko MFM, Jeanson fa “Izao tontolo izao aza misahirana mamerina azy ka izahay movansy indray ve no hanary azy ? Tsia, iny no anay !”, hoy izy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT