Politique

Fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina Atao any Maorisy na Seychelles ?


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Andrasana amin’ity herinandro ity ny fanambarana ny daty sy toerana mety hihaonan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Ny vondrona SADC ihany ma no hilaza izany amin’ny fomba ofisialy. Omaly dia nisy ny tsiliantsofina re fa hoe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana no hanaovana ny fihaonana. Tsy eto Madagasikara aloha ilay izy fa na any amin’ny nosy Seychelles na atsy amin’ny nosy Maorisy. Mbola resaka mandeha sy tombantombana ihany moa izany rehetra izany fa tsy vaovao ofisialy. Fantatra fa efa ho iray volana sy tapany no nanomana ity fihaonana ity ny SADC ary niezaka ny nijery toerana ihany koa. Tany am-boalohany, araka ny tsiliantsofina re ihany dia toerana efatra no voatonona fa mety hihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina dia, Antananarivo, Luanda renivohitr’i Angola, Gaborone (Botswana) misy ny foiben’ny SADC ary Pretoria ao Afrika Atsimo. Toa tsy nisy nety anefa ireo toerana ireo noho ny antony maro samihafa, ka tsy maintsy nikaroka toerana hafa. Ny efa azo antoka dia tsy eto Madagasikara no hanatanterahana io fihaonana io, ary toa samy manaiky izany ny roa tonta. Ny mbola mampametra-panontaniana koa dia ny hoe ho vita amin’io fihaonana voalohany io ve ny resaka rehetra sa mbola hisy ny fihaonana hafa amin’ny manaraka ? 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT