Politique

Fihaonan-dRavalo sy Rajoelina Io fa mitsatsaka !


  • Alarobia 04 Jolay 2012

Antomotra ny fanatanterahana ny fihaonana eo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina.

 Raha nandray ny iraky ny Vondrona Afrikana ny minisitry ny raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo ny herinandro lasa teo iny dia nanambara fa amin’ity herinandro diavina ity, no hanambaran’ny SADC ny toerana sy ny fotoana hanaovana azy io, izay ho eo ambany fitarihan’ny Troika-SADC. Midika io fa tsy azo ihodivirana io fihaonana io. Tsiahivina fa ireo filoham-panjakana nivory tsy ara-potoana tany Luanda renivohitr’i Angola ny 31 mey sy 01 jona 2012 teo no nanapa-kevitra ny tsy maintsy hanatontosana haingana io fampihaonana imaso imaso azy roalahy ireo io, mba hamaranana ny krizy efa mahafadiranovana loatra ny Malagasy. Vao nivoaka ny fehin-kevitra tany Luanda dia naneho ny fahavononany hiatrika io fihaonana io ny filoha Marc Ravalomanana ary dia efa miandry fotsiny ny hanatanterahana azy. Ny mpomba azy moa dia mitaky ny hanaovana io fihaonana io eto Madagasikara. I Andry Rajoelina indray etsy andaniny dia miovaova be ihany ny zavatra ambarany arakaraka ny maha antomotra ny fihaonana.

Rehefa tsapany fa tsy azo ivalozana ny fehin-kevitry ny SADC dia niangavy izy mba ho aorian’ny fetim-pirenena no hanatanterahana ny fihaonana, mba hahafahan’ny Malagasy manao fety ampitoniana (?) na dia mba hahafahany mitarika indray ny fankalazana ny fetim-pirenena aza no tao ambadika. Raha tafaverina avy any Rio de Janeiro (Brezila) indray ny tenany, ny ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena, dia nilaza fa tsy tokony ho sakana amin’ny fampandrosoana ny mpanao politika. Omaly indray, raha avy nandray ireo mpilalaon’ny Makis tao Ambohitsorohitra izy dia nilaza fa tsy tokony hisy adihevitra maharitra na koa fifandresen-dahatra hatao intsony amin’izany fihaonana hatao izany fa fanaovana sonia fifanarahana amin’izay ifanarahana tamin’izay tsy nitovian-kevitra hanavotana an’i Madagasikara no himasoana. Ny fanomanana izay antontan-taratasy fifanarahana izay izao no tokony hirosoana, hoy izy.

Mitady tany malemy hanorenam-pangady, mitsatsaka araka ny fitenin’ny tanora ankehitriny. Tsy niandry ela moa ny fanehoan-kevitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny alalan’ny lehiben’ny delegasiona, Mamy Rakotoarivelo. “Mibaribary izao fa tsy mahavita miady hevitra, mifandresy lahatra imaso, i Andry Rajoelina fa zatra mialokaloka ao ambadiky ny mpanolotsaina”, hoy izy. “Sady hakanosana ny azy no tahotra”, hoy hatrany ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita. Ity farany izay nanipika mazava fa izahay “mpanolotsaina” anie no nidinika ka nandrafitra iny tondrozotra iny nefa tsy tafavoaka ka aleo izy mianaka, fototry ny krizy, mihitsy no miresaka hitady vahaolana maharitra.

Mailo

 
Na izany aza ny mpandinika dia mahita fa folaka ihany i Andry Rajoelina. Ity farany izay nilaza telo taona lasa fa tsy hifampidinika amin’ny terôrista, ary mbola nanenjana sy nanenjika mafy ireo mpitondra teo aloha lasa sesitany aza raha nikabary teo Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2012 teo. Mailo kosa anefa ny etsy amin’ny Magro Behoririka, izay mahita fa misy hatrany ny politika avo lenta ataon’ny Frantsay hampihemotra io fihaonana eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina io. Niarahantsika nahalala, hoy Ralaiseheno Guy Maxime, fa isaky ny misy ny fifanarahana vita dia ivadihan’i Andry Rajoelina hatrany, satria ny Frantsay no manery azy. Koa miomana amin’izay mety hitranga isika, hoy i Guy Maxime, ary mila matoky ny mpitarika ny vahoaka.
 
Tsotra sy mazava ny fitakiantsika, hoy i Zafilahy nanamafy, dia i Dada mody an-tanindrazana tsy misy fepetra, milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ary haverintsika ara-dalàna eo amin’ny fitondrana. Hiavaka ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka anio. Nambaran’i Zafilahy Stanislas, fa hiverina an-kianja ny profesora Zafy Albert hanaporofo fa tsy misy resaka tanindrana ailika izany. Ho avy koa ny profesora Paul Rajaonarivelo, mpitarika ny Diniky ny samy Malagasy sady mpandrindra ny Komitin’ny fanavotam-pirenena, izay sambany hanitsaka Magro.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT