Politique

Fihaonan-dRavalo sy Rajoelina aorian’ny 26 jona “Hevir’olom-bitsy indray”, hoy ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 14 Jona 2012

Notsipahan’ny ankolafy Ravalomanana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny amin’ny anaran’ny governemantan’ny firaisam-pirenena nilaza fa aorian’ny fetim-pirenena no tanterahana ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina.

 Nilaza ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena, Botozaza Pierrot, izay nitondra ny tenin’ny ankolafy misy azy fa tsy nisy akory ny filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra nifampierana mialoha ny nanaovana iny fanambarana iny. Na dia tsy miatrika ireo filankevitra ireo aza izahay dia azo atao ny nifampiresaka mialoha, hoy izy. Aminy dia fanapahan-kevitr’olom-bitsy ireny. “Mifanohitra amin’ny hevitra notapahan’ny SADC rahateo koa ilay izy satria fihaonana maika izany hoe tsy andrasana ela no fehin-kevitra tany Luanda”, hoy ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena.

Tsy olana amin’ny ankolafy Ravalomanana kosa anefa izay toerana hanaovana ny fihaonana araka ny nambarany ihany. Miantso ny filohan’ny FAT handray fanapahan-kevitra hahafahana manatontosa ilay fifanatrehana mivantana faran’izay haingana ny tenany noho izany. “Manantena aho fa samy tia tanindrazana ireo filoha roalahy ireo ka hahita vahaolana hahafahan’ny vahoaka mifety ny fahaleovantenam-pirenena milamina”. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’i Andry Rajoelina anefa izany fihaonana amin’i Marc Ravalomanana afaka andro vitsy izany fa ny fihaonambe iraisam-pirenena Rio+20 misokatra ny 14 jona any Brezila no mahamaika azy. Hanainga ato ho ato ny tenany raha ny loharanom-baovao.

Mametra-panontaniana i Botozaza Pierrot raha tena laharam-pahamehana io fihaonana any Brezila io, indrindra amin’izao fotoana mampamaivay ny tsy fandriampahalemana izao. Nandefa hafatra amin’ireo tomponandraikitry ny mpitandro ny filaminana ny tenany hampitombo avo folo heny ny isan’ny ekipa halefa any Befotaka hampandry tany fa tsy hiandry ny mpanao fihetsiketsehana eny Ambohijatovo na Kianjan’ny 13 mey. Porofo ny mamparefo ny resaka filaminana sy fandriampahalemana, hoy izy ny fahafatesan’ny zandary sy miaramila nifanehitra tamin’ny malaso tany Befotaka iny sy ny fahasahian’ireo olon-dratsy ireo nanatitra ny basin’ny mpitandro ny filaminana matiny na babony tany amin’ny Kaominina avy eo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT