Politique

Fihaonamben’ny mpanohitra Nopotehin’ny resa-bola


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Tsy mampino nefa nisy, raha ny filazan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana, ny fampiasam-bola tahaka ny fahita teny amin’ny Antenimieram-pirenena mba hahazoana ny toeran’ny filohan’ny mpanohitra nandrindra ilay fihaonamben’ny mpanohitra notontosaina tao Andrefan’Ambohijanahary ny faran’ny herinandro teo.

 Zavatra tsy ekenay ary tsy hoekenay velively anefa izany fa fanaovana politika maloto, hoy izy, ary izany no antony tsy nahatanteraka ny fifidianana filoha. Foto-kevitry ny fampivondronana no novoizina tao, hoy hatrany i Lalatiana Ravololomanana, ary izay aloha no tratra. Ho fitandroana ny etika politika dia ny fototra aloha no nimasoanay vao hanangana ny tafo izahay. Araka ny fanazavan-dRalaiseheno Guy Maxime dia fiaraha-mitantan’ireo kandidà 5 sy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanomana iny fihaonambe iny, izay ireo mpanao politika mpilalao baolina anatin’ny ekipa Fair Play ny ankamaroany, no handray an-tanana ny fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka, hifampidinika amin’ny tompon’andraiki-panjakana ny handrafetana ny satan’ny mpanohitra … mandra-pifidy izay ho tena ho filohan’izany mpanohitra eto amintsika izany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT