Politique

Fihantsian’i Emmanuel Macron “Tokony hampiantso ny ambasadaoro frantsay ny mpitondra Malagasy.”


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Fihantsiana na “incident diplomatique” no nataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo,

 

raha nanamafy ny fikasany hanao ny Iles Glorieuse ho toerana mahasarika frantsay na “site écologique”. Iarahantsika mahalala, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Elia Rabevahiny fa anisan’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara miisa 5 takiantsika ireo. Efa nisy ny fifampidinihana natomboky ny fanjakana 2 tonta nanomboka ny 18 novambra hitadiavam-bahaolana ny amin’ny tokony hamerenana ireo nosy ireo amin’i Madagasikara. Mifanipaka tanteraka ankehitriny ny nolazain’ny filoha frantsay izay milaza ny tsy hihemotra amin’ny tetikasany voalazany io amin’ny volana jona sy ny an’ny filoha Malagasy, Andry Rajoelina, izay milaza fa tsy maintsy tafaverina amintsika ireo nosy Malagasy mialoha ny 26 jona. Manoloana ireny fihantsiana ireny dia tokony hampiantso ny ambasadaoro frantsay ny mpitondra Malagasy, hoy ity SG ity. Haverina indray fa efa nisy ny dingana nandeha mikasika ny famerenana ireo nosy ireo kanefa hatreto ny fitondrana roa tonta dia tsy mbola namoaka marina ny vokatry ny fifampiresahana nataon’ny delegasionina 2 tonta. Ny fihantsian’ny frantsay anefa mandeha ihany, hoy ny fanazavany, ka mila sahy mandon-databatra amin’izy ireo ny mpitondra Malagasy mba tsy hanitsakitsahany an-tampon-doha antsika tahaka izao. Fanaovana tsinontsinona ny Malagasy sy ny mpitondra azy no mitranga kanefa isika tsy misy taitra ary mampametraka baraingo, hoy ny Otrikafo, hoe tena vonona ny hiady mba hiverenan’ireo tokoa ve isika ?

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT