Politique

Fifidianan’ny FIZAFATO Misy olana indray


  • Talata 01 Aogositra 2017

Nanao fanambarana teny Ambohipo omaly Andriamanarivo Berkeley, kandida iray mpifaninana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanan’ny zanaky ny Faritany Toliara hotanterahina kasaina hatao ny 06 Aogositra ho avy izao.

 Nambarany tamin’izany fa rava ny komity mpanomana ny  fifidianana noho izany tsy hisy io fifidianana io. Tsy mahaleo tena mantsy ity komity ity hoy hatrany izy  satria tsy nanaja ny fanapahan-kevitra efa noraisiny. Efa fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo hoy izy fa tsy natao handraisana ny antontan-taratasin’ny kandida ny datin’ny  27 Jolay  lasa teo satria natokana ho andro fisaonam-pirenena. Mbola noraisin’izy ireo  ihany anefa hoy izy ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ana kandida iray izay lasa mpifaninana amiko.  Io kandida io anefa hoy hatrany Andriamanarivo Berkeley  dia mbola filohan’ny FIZAFATO am-perin’asa  ary mbola tsy nametra-pialana tamim-pomba ôfisialy akory. Mangataka ny hanemorana  ny datin’ny 06 Aogositra tokony hanatanterahana ny fifidianana araka izany ity kandida iray ity mandrapisian’ny fandaminana ny raharaha. Manainga am-panajana ireo Ray aman-dReny rehetra avy amin’ny zanaka am-pielezan’ny faritany Toliara ihany koa ny lehilahy  mba  hijery ifotony sy hanara-maso akaiky izao raharaha izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT