Mbola nanamafy indray omaly Ramatoa Atallah Béatrice raha nifanatrika tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teny Tsimbazaza fa vonona ny CENIT amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.
Milamina ny lafiny ara-teknika, efa tonga eto Madagasikara daholo ny fitaovana rehetra ilaina mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Fantatra nandritra izao fihaonan’ny CENIT sy ny mpikambana CT izao koa fa tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ny 73%-n’ny Malagasy ampy taona tokony hifidy. Araka ny fantatra ihany koa dia azo ambara hoe tratra ny tanjona tamin’ilay “Opération kara-panondrom-pirenena”. Ilay bileta tokana izany sisa no tsy vita hatreto, omaly no tonga teto amintsika ireo Afrikanina Tatsimo izay nitondra ny ampahan’ny taratasy mety hanaovana io bileta tokana io. Atsy Afrika Atsimo no fantatra fa hanotana azy ireo, ary hampahafantarina rahampitso ny mety ho endrik’ilay bileta tokana. Fa tetsy amin’ny Espace Dera ihany koa dia nisy ny fampahafantarana ireo tsara ho fantatra manodidina ny fifidianana depiote nomen’ny CENIT ireo antoko handrotsaka kandida amin’izany fifidianana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.