Ny fanamarihana azo aroso raha ny vokatra teto Antananarivo rehefa fifidianana no raisina dia tsy midika ho fandresena avy hatrany ny famoriana vahoaka.
Tsy ny famoriana vahoaka maro ao amina toerana lehibe toy ny “Coliseum” akory no hitondra fahombiazana. Raha hanaovana jery todika ireo ezaka nataon’ireo kandidà ben`ny tanàna namory vahoaka tao Antsonjombe sy ny an’ireo izay tsy nanao afa-tsy hitafa mivantana tamin’ny olona an-dalambe tamin`ny taona 2015 dia mitovy ny vokatra azo.
Fidinana nivantana
Misy kandidà tena nanao ezaka goavana isan’andro: nikabary, nitety fokontany, namory olona. Heverina fa isan’ny olana ho an’ny olona te hifidy azy dia ny fanomezana lanja bebe kokoa ny ambany tanàna raha oharina amin’ny sokajina vahoaka hafa. Mbola olana ho an’ny kandida sasany ihany koa izany raha tsy nanomboka ny fifidianana dia nisary zoro tamina antokon’olona araka ny fiaviana izy. Avy hatrany dia nampihemotra ireo sokajin’olona tokony hifidy azy ireo izany.
Fampiasana depiote
Nanaitra ihany koa tamin`ny fampilezan-kevitra nataon’ireo kandida TIM sy Freedom tamin`izany ny tsy nahitana an’ireo depiote nirotsaka nandray fitenenana mivantana. Hita ihany ny depiote TIM sasany nanaraka an’i Neny Lalao Ravalomanana rehefa izy nanao dia an-tongotra iny fa zara raha heno nandray fitenenana. Raha ny tany amin’ny mpanohana an’i Lalatiana Freedom kosa dia tsy nisy afa-tsy Rossy irery no tena nihosina niaraka taminy na teny an-kianja izany na teny amin’ny tambazotra toy ny facebook. Marihina fa samy niezaka nitady olona mpitarika teny ambany tanàna ny kandida tsirairay avy.
Fanatobahana vola
Nibata vokatra kely tsy mifanentana amin’ny vola natobaka ny kandida vehivavy iray. Omby enina ny andro faradoboka dia tsy nivadika ho vato narotsaka amin’ny anarany. Mety tsotra ny antony. Tsy zakan’ny sain’ny olona ny fahitana ny kandida mitiritirina eny ambony fiara Hummer izay toa manitsaka ny vahoaka madinika mandeha kamiao eo anoloany. Miharihary loatra ny elanelana ka mampihemotra ny mpifidy. Betsaka ny kandida tratran’izany tsy ny tao Antananarivo Renivohitra ihany fa tany amin’ny kaominina hafa ihany koa. Lesona azo tsoahina avy amin’ny fijerena ny vokatra sy ny fomba nanatontosana ny fampielezan-kevitra teo aloha izany. Tokony haka lesona avy amin’izany ireo kandidà ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.