Herintaona katroka anio alarobia 8 janoary no nanambaran’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny valim-pifidianana ofisialin’ny fifidianana filoha fihodinana faharoa fa lany ho filoham-pirenen’ny Repoblikan’i Madagasikara
Andriamatoa Rajoelina. Hanomboka anio ihany koa ny fivoahan’ny valim-pifidianana ofisialy ho an’ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Saika nisy lesoka sy adihevitra foana ny fifidianana teto hatramin’izay, saingy toa vitavita ho azy hatrany. Mety ho hafa ny fandehan-draharaha amin’ity indray mitoraka ity, raha ny angom-baovao natao tamin’ny etamazaoro politika samihafa sy ny karazana fanambarana tato ho ato. Anisan’ny ivon’ny fitakiana mandeha amin’izao ny famoahana ny marina, mitarika izany ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Atoa Rina Randriamasinoro manamafy hatrany ny tsy hihemotra. Anio rahateo no handeha etsy amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny raharahan’ady mikasika ny fifidianana teto Antananarivo, izay izy sy Atoa Naina Andriantsitohaina no tena nifampitady tamin’ny isam-bato. Manomboka miditra sy mamondron-kery ao anatin’ilay “tolona hitakiana ny fahamarinana” ny kandida ivelan’ny kandidam-panjakana. Efa nandeha ny karazana fanehoan-kevitra amin’ny hoe: avoahy ny marina izay takianay, mba tsy hiitaran’ny fitakiana amin’ny zavatra hafa. Fitsarana ny raharaham-pifidianana no nataon’ny HCC, ary ho tahaka izany ihany koa no andraikitra sahanin’ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana. Tsy vao izao anefa no nisy fitoriana mikasika ny fifidianana fa ireny niaraha-nahita ireny ny valiny. Nisy ny vondron’ireo mpahay lalàna na ny “legal team” namolavola ny karazana fitoriana samihafa tamin’ny fifidianana filoha teny an-tsisin-tosy fa voabaoty na efa nanantena aza fa tena efa matevina ny porofo. Fitsarana sy didy politika no hita tamin’ny ankapobeny fa tsy araka ny lalàna. Ho voafafa ve izany amin’ity ? Toa sarotsarotra. Vao mainka anefa hirehitra ny afo politika. Azo antoka fa hiitatra ny fitakiana, izay toa hizotra any amin’ny fandravana rafitra, toy ny CENI, HCC,… raha ny tsiliam-baovao mivoaka amin’izao fotoana izao. Tsy hisy fifidianana vanona sy tena avy amin’ny safidim-bahoaka intsony eto raha izao no mbola hotohizana, hoy ny fanehoan-kevitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.