Fifidianana tao Toamasina I

> Nisongadina ny MTS sy ny AVANA


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013


Niavaka tamin’ireo kandida heverina fa afaka nifaninana taminy tao Toamnasina I tamin’ireo biraom-pifidianana 198 tamin’ny Fokontany 138, ny kandidan’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) Roland Ratsiraka izay nitarika tamin’ny salan’isa 23% teo sy ny kandida ny AVANA Dr Robinson Jean Louis tohanan’ny ankolafy Ravalomanana izay nahazo ny salan’isa 20% teo. Ho an’ireo kandida hafa kosa, dia laharana faha-3 ny kandida Pierrot Rajaonarivelo 16%, faha-4 ny kandida Edgard Razafindravahy 9%, faha-5 ny kandida Hery Rajaonarimampianina 8,50%, ary faha-6 ny kandida Camille Vital 5,50%. Raha ny tao Toamasina dia nizara roa niavaka tsara ny samy nandresen’ireto kandida roa mitarika ireo, ny boriborintany Ankirihiry sy Tanambao V nanjakan’ny kandida Roland Ratsiraka ; ny tao Ambodimanga sy Anjoma kosa nandresen’ny kandida Dr Robinson Jean Louis ; ny tao Morarano kosa nifampizaran’ireto kandida roa ny fitarihana ny laharana voalohany. Samy nankasitraka ny mpanohana azy avy noho ny asa natao nahazoana ny vokatra, ny kandida Roland Ratsiraka, sy ny ankolafy Ravalomanana niaraka tamin’ny Taratr’i Madagasikara.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT