“Efa efa-taona mahery no niandrasantsika izao fifidianana izay ho filoham-pirenena izao, ka mila mampiseho isika Malagasy fa vahoaka afaka maneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana madio, milamina ary mangarahara”. Izay avokoa no nambaran’ireo nanontaniana mikasika ny fifidianana natrehan’ireo mpifidy voasoratra anarana sy nahazo karatra omaly. Nilamina ny fifidianana raha ny lafiny fandriampahalemana no jerena, nahavita ny asany nampandehanana ny fifidianana ny mpitandro ny filaminana. Saika nifidy maraina sy ny misandratr’andro avokoa ny ankamaroan’ireo tompon’andraikitra samy hafa, na teo anivon’ireo kandida izany na eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Raha ny omaly dia nanodidina ny 20 – 30% ny taham-pifidianana no tratra tamin’ny 12ora.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.