Fandikan-dalàna faobe hita tamin’ny fitsirihana ny antontan-taratasim-bato, ka tsy hahafahana mamoaka voka-pifidianana tsy mitanila no nambaran’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana fa nanafoanana ka hamerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina Moramanga Renivohitra.
Rehefa natao ny fikirakirana an’ireo antontan-taratasim-pifidianana, izay tsy inona fa ny fitanana an-tsoratra na PV, dia tsy nahita mihitsy resaka tsy fahatomombanana izahay tamin’ireo PV rehetra ireo. Rehefa niteny ihany koa ny CENI, dia nilaza fa tsy nisy mihitsy ny tsy fahatomombanana ka nahafahan’izy ireo namoaka ny valim-pifidianana vonjimaika, hoy ny kandidan’ny antoko TIM Haja Andrianavony, izay nambaran’ny CENI tamin’ny vokatra vonjimaika fa lany. Tsy nisy fitoriana na avy amin’ny olon-tsotra na avy amin’ireo kandida ary na mety hoe nisy tany ambadibadika tany dia tsy nahazo fampahafantarana (notification) izy ireo, hoy ny fanazavana. Noho izany, tsy manaiky marindrano ny fanafoanana ny valim-pifidianana izahay, hoy io kandida io. Tsy maintsy niakatra tamin’ny dingana avoavo, dia ny fangatahana fandravana (cassation) any amin’ny filankevi-panjakana izay zo omen’ny lalàna anay, hoy kosa ny mpisolovava Andry Raminoson. Misy ny zavatra mampiahiahy satria raha nambara fa amin’ny 3ora tolakandro ny fitsarana, dia nahagaga fa tamin’ny 4ora vao navoaka ka ahiana ny tsindry tamin’ny ora farany nentina nanafoanana ny safidim-bahoaka. Namory vahoaka tao amin’ny Espace Emeraude Moramanga moa izy ireo ny sabotsy teo, ka nivoitra ny fitakiana ny fahamarinana, ary tsy hanaiky ny fanafoanana ny safidim-bahoaka. Gaga ireo kandida hafa izay efa niarahaba an’i Haja Andrianavony eo anatrehan’ny zava-misy, ary naneho fa hiaraka amin’ity kandida ity, raha ny fanazavana.
Raha ny hitako, dia tsy dia nisy ny olana tamin’ny fifidianana, ary ny tenako dia anisan’ny mpikamban’ny SRMV. Nisy ihany ny fitarainana fa tsy nisy ny fitoriana. Ny olana hitanay teto, dia tao anaty birao fandatsaham-bato tao Tanamandroso no nisy fahatarana ny lisi-pifidianana, hoy Rakotojaona Briand Del’or mpikambana KMF/CNOE Moramanga, izay rafitra mpanara-maso ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.