Politique

Fifidianana sy raharaham-pirenena Mampiahiahy ny fihetsik’i Lafrantsa


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Akaiky ny fifidianana ary fahita eto amintsika ny fidirana an-tsehatry ny firenen-dehibe amin’izany sy amin’ny raharaham-pirenena ankapobeny na mivantana na an-kolaka, io ilay antsoina hoe : “géopolitique”.

Lohalaharana i Frantsa eto amintsika. Tsikaritra fa kapohiny ny fanjakana HVM ankehitriny, saingy amin’ny fomba ara-diplomatika, raha dinihina amin’ny raharaha Houcine Arfa. Nangataka ny fifampiraharahana taminy hanenjika ity gadra nandositra ity ny fanjakana HVM, saingy tsy nisy valiny. Fitaovana handemen’ny Frantsay ny fanjakana ankehitriny ve iny vazaha iny matoa tsy nosamborina sy mbola afaka nitory ny mpitondra Malagasy ? Efa mafy orina ny paikady napetraky ny Frantsay momba an’i Madagasikara, ary toa zary mipetraka ho raikipohy mihitsy ny hoe izay mpitondra ratsiratsy fifandraisana sy mitady hanembantsembana ny tombontsoany eto dia potika, anisan’ireny i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009. Tsy vahaolana aloha ny manangan’ady aminy, fa kosa mila fifandresen-dahatra ara-diplomatika lehibe hahafahana mametraka ny tombontsoam-pirenena. Re amin’izao fotoana fa efa niresaka sy nifanazava tamin’ny Frantsay i Marc Ravalomanana. I Lafrantsa no firenena notsidihiny voalohany tamin’ity taona 2018 ity, nisian’ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona tany Paris ny 13 janoary. Nandeha ihany koa iny i Andry Rajoelina tamin’ny fampahafantarana voalohany ny IEM (Initiative pour l’Emérgence de Madagascar), dia tany Paris no nisantarana ny fampahafantarana azy niarahana tamin’ny vazaha Frantsay maro. Mangina sy tsy miteny ny Frantsay, saingy azo antoka ho mifampiresaka sy manana fifandraisana ambadika amin’ireo heverina ho kandida maromaro. Hitondrana fifandaminana eto ve izany sa paikady hoenti-mampiady ny samy mpanao politika ? Lojika be mantsy ny hisian’ny fifandonana amin’izao fotoana izao. Fahita eto Madagasikara rahateo ny Krizy toa iniana volena isaky ny 10 taona eo ho eo, raha tsy hilaza afa tsy 1991, 2002, 2009 ary 2018 isika izao. Rehefa raikitra ny sakoroka dia trohana fotsiny ny harena eto Madagasikara avy eo.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT