Nikatona tanteraka omaly ny fanaterana antontan-taratasy ho an’ireo mpifaninana hiditra eny amin’ny antenimieram-pienena Tsimbazaza.Kandida 376 ho an’ireo distrika 119 manerana ny nosy no nahavita izany raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo;
maro an’isa ireo kandida tsy miankina satria miisa 219 misy mpandraharaha, mpihira, mpilalao sarimihetsika, mpampianatra, dokotera… raha toa ka 157 no natolotry ny antoko politika.Misy ireo mbola tsy nahafeno an-tsakany sy an-davany ny antontan-taratasiny, misy aza no mbola tsy nahaloa ilay anto-bola 5 tapitrisa ariary, teo ihany koa ny mbola tsy manana mpisolo toerana, izany hoe tsy feno ny lisitra..isan-karazany ary maro ny tsy fahatomombanana.Manana 72 ora , izany hoe hatramin’ny zoma ho avy izao izy ireo hameno ny antontan-taratasy.Ny 19 martsa kosa no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida ny CENI foibe; raha misy ny raraka dia manana 48 ora hametrahana fitarainana eny amin’ny CENI, ka hivoaka iray andro aorian’izay ny fanapahana.Raha mbola tsy afa-po ireo kandida tsy tafiditra anaty lisitra aorian’io dia mbola manana 48 ora ary afaka mitory eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) indray , hivoaka afaka 24 ora ny didy tsy azo ivalozana avy eo ary izay no tsy maintsy ampiharin’ny CENI. Hita ho tena nihena ny isan’ireo kandida solombavambahoaka tamin’ity indray mitoraka ity, ho an’ny distrikan’Antananarivo faha 3 izao ohatra , niisa 33 ny kandida tamin’ny 2013; tsy nisy afa-tsy 5 anefa izany tamin’ity 2019 ity.
|
Olona voafidy hanao lalàna sady hanara-maso ny asan’ny governemanta ny solombavambahoaka. Tsy natao hanao asa sosialy na hanangana fotodrafitr’asa fa miady hevitra, mandany na mitsipaka volavolan-dalàna anankiray.Manohana na mitsikera ny fitondram-panjakana rehefa tsy mety ny ataony, manaja ny fitsipiky antoko misy azy sy ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena ary mitondra ny feon'ny vahoaka any amin’ny fitondrana foibe, ny zavatra maharary azy, manao tatitra amin’ny vahoaka, ary manampy azy amin` ny olana mahazo azy. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.