Niisa sivy hatreto ny kandidà nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany tao amin’ny biraon’ny OVEC Distrikan’Antsirabe voalohany omaly alatsinainy 15 jolay. Nilaharana mihitsy moa ny tao amin’ny CED Antsirabe io andro io, izay voafaritry ny lalàna fa hifaranan’ny fametrahana ny filantsaha-kofidiana.
Nitarika ny laharana Atoa Rabemahafaly Fulgence izay mandeha irery, ho an’ireo nametraka. Nanaraka azy tao ny Antoko Maitso nanolotra an’ny Dr Aina Léon Joseph, narahin’ny MDM sy ny Alefa Madagasikara, ny MAMIMI, ny FFF, ny Fanahy no maha olona, ny MTS ary ny PNJ Mazava izay namarana ny fametrahana ny antontan-taratasy tamin’ny 06 ora hariva. Tonga tao an-toerana kosa ny Arema Ratsirakista sy ny Leader Fanilo, saingy tsy mbola feno tanteraka ny antontan-taratasin’izy ireo.
Voalaza fa ny talata 16 jolay no hanaterany izany. Hatreto dia tsy tazana ireo kandidà izay andrasan’ny maro toy ny avy amin’ny antoko TGV sy ny Zanak’i Dada ary ny Miara-Mirona sy ny Malagasy Miara-Miainga ary JEM, izay efa re fa handrotsaka kandidà ihany koa. Raha ny fantatra dia misy amin’izy ireo no efa nahafantatra fa hihemotra indray ny datin’ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahana ka dia tsy nirotoroto intsony. Raha tsiahivina dia nahatratra 50 no naka hevitra tao amin’ny CED Antsirabe voalohany nialoha ny fanombohan’ny fandraisana antontan-taratasy firotsahana. Inoana fa tsy mbola hijanona eo ireo isa ireo ka dia ho hita eo ihany ny tohiny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.