Vonona handray an-tanana ny raharaham-pirenena amin’izay ny vehivavy any Amboasary Atsimo ka hosantarina amin’ny firotsahana hofidina eny anivon’ny Kaominina sy Distrika izany. Porofon’izany dia efa nilaza ampahibemaso ny fahavononany hirotsaka hofidiana ho solombavambahoakan’Amboasary Atsimo Ramatoa Solange Angèle, mpandraharaha ara-toekarena any an-toerana sady zanak’iny Distrika iny rahateo. Maro tamin’ireo vehivavy any an-toerana no nidera sy nankasitraka ny fanapahan-kevitr’ity andriambavilanitra ity. Izy izany no sahy nilaza ampahibemaso fa ho kandida hifaninana amin’i Soja Jean André na Kaleta ao Amboasary Atsimo. Re rahateo fa i Reboza Julien minisitry ny rano ankehitriny ary efa depiote teo aloha efa nilaza fa mety tsy hilatsaka fa izany Maka Alphonse izany no hatolony.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.