Politique

Fifidianana solombavambahoaka Miala any indray ny ketrika hala-bato bevata…


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Izahay dia efa maheno siosio, fa tena halatra mioampampana indray no kotrehina amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity, indrindra ety amin’ny boriborintany faha-2 ataon’ny andaniny, izay tsy tononiko anarana, hoy ny kandida avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara Randrianarisoa Stanislas na “Rastany”.

 

 

 Miangavy amin’ny Bianco sy ny handray andraikitra ary manentana ny vahoaka ho mailo izy, fa mitady ho tsy ny safidim-bahoaka no hatao fa halatra bevava, hany ka lasa mivaona amin’ny tsy izy ilay firenentsika. Nanao antso avo izy mba atao madio amin’izay fifidianana, ka izay tena tian’ny olona sy hitany fa mahavita azy no aleo hitondra ny firenena. Mangataka ny filoha ankehitriny izay tanora maneho fa mba vonona hanao ihany mba esory amin’izay ilay halatra ary aza atao fa mba ho olon-kendry ianao matoa natao anjaranao ny mitondra eo, ka aleo mba matahotra an’Andriamanitra, ary mba ataovy zavatra madio, hoy izy. Manomboka misy resaka mivoaka tokoa momba ny fikotrehana hosoka goavana amin’io fifidianana solombavambahoaka io. Anisan’izany ny fahenoana fa kara-panondro miisa 10 000 no atonta hoenti-mifidy sy manao hosoka, ka misy lisi-pifidianana kotrehina hasisika hifandraika amin’ireo , ary isan’ny hikotrehana izany ny eny amin’ny Boriborintany faharoa eto Antananarivo. Mazava ho azy fa faritra maro no mety hanaovana an’io raha tsy mailo ny rehetra. Mampitandrina ny Kandidan Rastany sy ny mpiara-dia aminy, fa tsy hipetra-potsiny eo anatrehan’io teti-dratsy mifanohitra amin’ny demokrasia io. Noboriboriana tamin’ny hoe: “azo raisina fa tsy mitombina” ny fitoriana momba ny hosoka tamin’ny fifidianana filoha ka mbola tetehina hatao tahaka izany ve ny amin’ity? Rehefa tena feno ny kapoaka mety hitobaka ihany!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT