Politique

Fifidianana solombavambahoaka Mbola mangingina hatreto


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Ny kandida ho depiote tarihin’ny mpahay lalàna Lisy Ralitera sy Dany Rakotoson no tonga nanatitra dosie filatsahan-kofidiana voalohany tetsy amin’ny OVEC Nanisana izay misahana ny distrikan’Avaradrano.

 

 Tsy mbola nisy kandida nanatitra izany kosa na ny iray aza ho an’ny boriborintany fahadimy izay samy sahanin’ity OVEC ity avokoa. Raha fehezina dia ny famolavolana lalàna sy fandaniana izany ary ny fitondrana ny hetahetam-bahoaka eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka no andraikitra sahanin’ny solombavambahoaka. Izany hoe rafitra natao ho akaiky vahoaka indrindra. Inona ary no antony mampangingina ny fiatrehan’ny rehetra izany ankehitriny ? Tafahoatra ve ny tsy fahatokisana intsony ireo rafitra mpikarakara toy ny CENI sy HCC ? Fanontaniana mila valiny ireo. Mbola lavitra be ny fahatsapan’ny depiote eto amintsika ireo andraikitra miandry azy ireo, raha ny fanehoan-kevitra mpahay lalàna iray hafa. Eo amin’ny lafiny politika dia misy ny tsy fahazoana mivadika amin’ny antoko nahavoafidy azy ireo mandritry ny fe-potoam-piasany, araka ny andininy 71-73 ao amin`ny lalàmpanorenana. Tsy fivadihana amin`ny antoko fotsiny izany fa amin’ny vina sy programan’asa nifidianan`ny vahoaka azy tamin`ilay antoko koa. Azo atao ny mampiato azy amin’ny asany rehefa tsy voahaja ireo, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT