Mbola manomana sy ao anaty fifantenana kandidà harotsaka ihany koa ny ankamaroan`ny antoko politika izay saika nivondrona ao anaty vovonana ny ankamaroany.
Lasa fifaninanana amin`ny alalan`ny vovonana ara-politika no hisongadina amin`ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina ny 27 mey ho avy izao. Saika mivondrona ao anatin`ny vovonana avokoa ankehitriny ireo antoko politika mitovy fomba fijery ary hivondrona amin`ny fandrotsahana kandidà hifaninana amin`ny distrika manerana ny nosy. Vovonana telo lehibe no fantatra hatreto dia ny TIM-K25, izay hivondronan`ny TIM sy ireo mpiara-dia aminy, ny Vondrona Tia Tanindrazana (VTT) izay ahitana ireo antokon`ny kandidà sasany tamin`ny fifidianana filoham-pirenena ary ny Coalition Pro-Regime, izay ahitana ny antokon`ny fitondrana sy ny tao anatin`ny ARMADA. Mbola ao anatin`ny adihevitra handrafetana ny lisitr`ireo kandidà harotsaka ho mpifaninana manerana ny nosy izy ireo. Be loatra ny antoko politika ary mivondrona ny mitovy fomba fijery. Amin`ity herinandro ity vao mety ho fantatra ny lisitra avy amin`ireo vovonana samihafa sy antoko. Misy kosa no handrotsaka amin`ny anarany manokana sy ny kandidà mahaleotena saingy mbola ao anatin`ny fanomanana raha zohina ny zava-misy ankehitriny. Hatreto, mbola vitsy ny distrika efa nametraka anton-taratasy firotsahan-kofidiana. Ny OVEC Toamasina, Taolagnaro ary Avaradrano no efa nahazoam-baovao fa manana kandidà. Tsikaritra kosa fa betsaka no mangataka fanampim-panazavana eny anivon`ny OVEC.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.