Nanatitra ny antontan-taratasy filahatsany hofidiana solombavambahoaka teny amin’ny biraon’ny OVEC Distrikan’Atsimondrano Tsaralalana omaly maraina Ralaiseheno Guy Maxime sy ireo mpiray lisitra aminy. Miisa 5 izy ireo no ao anatin’ny lisitra natolotry ny fikambanana “Atsimondrano Mandray Andraikitra”, ka Ralaiseheno Guy Maxime no lohalisitra amin’izany.
“Efa hatramin’izay ny tenako no nandray andraikitra amin’ny asa fampandrosoana ny firenena satria efa filohan’ny Fokontany, Ben’ny tanàna ary CT ankehitriny. Manosika ahy handray andraikitra bebe kokoa ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny mba hitondra ny tenin’Atsimondrano”, hoy izy. Ankoatra izay, nanaitra ny mpanara-baovao ny fahitana ireo mpiray lisitra tamin-dRalaiseheno Guy Maxime izay mpikambana TGV ny sasany. Novaliany fa raha tiana ny hampandroso marina an’ity Madagasikara ity dia tsy tokony hijerena loko politika ny asa fampandrosoana ny firenena.
Aza fatorana ao anaty antoko politika ny tsirairay, hoy izy fa aleo hitondra ny traikefany ho an’i Madagasikara iombonana. Fanombohan’ny fampihavanam-pirenena izao fiarahany amin’ny TGV izao sa fivadihana amin’ny ankolafy Ravalomanana izay nanolotra azy ho CT ? Raha tena demokraty anefa Ralaiseheno Guy Maxime dia fametraham-pialana tsy ho mpikambana CT amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana no nataony voalohany fa tsy hanao bolokilaky homam-boatseva, ka mamy ny atsy, fy ny aroa !
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.